Boriborintany faharoa. Nirohotra nanatona ny biraom-pokontany ireo mponina omaly nitady ny sefom-pokontany teo aloha noho ny hatezeran’izy ireo. EFA ELA Raha araka ny fanadihadiana natao dia tanin’ny voanjo antsoina hoe : Gaulloise io tany misy olana etsy Ampasanimalo Antanimora io, mitondra ny anarana 153 A Joseph Charles, manana velarana 16 ara. Niverina tamin’ny Charles Joseph ihany ny tany talohan’ny nahazoantsika ny fahaleovantena saingy lasa namonjy ny tanindrazany ihany koa ity farany taorian’ny taona 1960. Mbola tanin’anandrano izy tamin’izany fotoana. Taty aoriana, olona maro no tonga nanajary io toerana io. Nanomboka nikarakara ny taratasy momba io tany io ireo vahoaka nanajary noho izany saingy mandraka androany mbola misy olana foana ny tany. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Landiniaina Julie Fleurette, anisan’ireo nanajary io toerana io ary efa manana trano eny an-toerana dia raha vantany vao mikarakara io tany io izy ireo dia tsy mety tafavoaka mihitsy. Tsy hita hatrany ny dosie. Manomboka ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany izany ka hatreny amin’ny Fitsarana. Vokany, misy hatrany ireo olona milaza ho tompon’ny tany ary mandrahona ireo mponina ireo handrodana ny fananany ao anatin’ny indray mipy maso. Olona 4 tonta ankehitriny no fantatra fa samy mangataka miady azy io.
Legende : Rtoa Landiniaina Julie Fleurette, Renim-pianakaviana anisan’ny nangataka ilay taratasy fangatahana tanim-panjakana hatramin’ny 1982 saingy tsy nahazo izany.
« TSY NANDRAY VOLA AHO SADY TSY NANOME TARATASY »
Ho an’ny omaly alakamisy 23 novambra manokana dia nirohotra nanatona teny amin’ny biraom-pokontany ireo mponina 50 tafo mahery voakasika ao amin’ny tany 153 A Joseph Charles ao Ampasanimalo Antanimora. Raha araka ny feo mandeha mantsy dia nolazain’ilay Ramatoa iray izay milaza ho tompon’ny tany ankehitriny fa nomen’ny sefom-pokontany teo aloha Atoa Andrianarison taratasy izy izay manamarina fa nanajary io toerana io marina. Mbola niampy koa aza io resaka io fa nomen’io Ramatoa io lelavola 3 tapitrisa Ar ilay sefom-pokontany teo aloha io ho tambin’izay fanomezany taratasy azy izay. Nijoro anefa Atoa Andrianarison omaly fa fanasoketana azy fotsiny izany ary tsy avelany handalo mora foana satria tena fanalam-baraka azy ho manao kolikoly. Raha mbola mitohy ny fanasoketana azy hoy izy de tsy hanaiky intsony ny tenany fa hitory. Nihaino izany ireo vahoaka tezitra omaly ka nampiato ny fihetsiketsehana nataony. Notsindrian’ity sefom-pokontany teo aloha ity moa fa nohamarinin’ny vadintany ny tsy fisian’izany taratasy nolazain’ilay Ramatoa milaza ho tompon’ny tany fa nomena azy tao amin’ny Fokontany izany.
NATSAHATRA TSY MISY HATAK’ANDRO
Mba ho tombontsoan’ireo vahoaka marobe izay tezitra ireo ary dia nandray fanapahan-kevitra ny sefom-pokontany am-perin’asa fa hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fahafahan’ny vaditany mitsirika ny taratasy ho an’ireo tokantrano 50 tafo ireo isan-tsokajiny. Noraisina izany fepetra izany satria tsy nisy ary tsy nitondra didim-pitsarana akory ireo vaditany nilaza fa hanatanteraka asa teny an-toerana hoy hatrany ny fanazavany.Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nandefa vadintany miisa 3 nametra-panontaniana arahim-baliny tamin’ireo olona voakasika ireo ilay Ramatoa milaza ho tompon’ny tany efa andro maromaro izao. Tanjon’ity farany ny mba hahafahana mamantatra izay olona tena manana taratasy marina momba ny tany amin’izy ireo ao anatin’ny 153 A Joseph Charles ihany.
MANGATAKA NY FITONDRAM-PANJAKANA
Mangataka ny mba hijeren’ny Fitondram-panjakana akaiky ity tany misy olana ity araka izany ireo mponina ao Ampasanimalo Antanimora. Tsy mahagaga hoy Atoa Tatanandrasana Francois Xavier, Raim-pianakaviana anisan’ny manana trano ao amin’ity tany ity raha betsaka ireo olona mangataka ny tany satria mbola mijanona no tanim-panjakana izy mandraka androany. Ireo manajary anefa hoy izy tsy mety mahavita taratasy ara-dalana momba izany mihitsy satria lazaina fa misy olana hatrany ny tany. Vahoaka madinika anefa ny ankamaroan’ireo mponina ao an-toerana. Efa lany fatotra amam-pondrana tamin’ny fananganana trano na dia efitrano iray aza ho fitsinjovany ny taranany. Mahatoky araka izany izy ireo fa mba hitodika hijery ity tany misy olana etsy Ampasanimalo Antanimora ity ny fanjakana.
Legende : Atoa Tatanandrasana Francois Xavier, anisan’ireo mponina lasibatra
Pati
Ny valan-javaboarin’i Tsimbazaza dia tsy toeram-pialan-tsasatra tsotra,
Toe-javatra mety mitranga ny tsy fitovian- kevitra eo amin’ny ray sy ny reny momba ny fitaizana ny zaza,
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena
Nifarana ny kilalao tamina fahitalavitra tsy miankina iray, izay ana loholona iray eto Madagasikara
Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.