dia midika izany fa tsy hanana fidiram-bola na inona na inona intsony ilay kaominina no hiafarany. Miankina amin’ireo depiote milaza fa hitondra fampandrosoana ireo moa izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre. Tsy fantatro indray, hoy izy, na tsy fahatokisana ny ben’ny tanàna rehetra indray no hanaovana izany fa aleo ve izany any any amin’ny filohan’ny repoblika ny vola dia tsara tantana? Iarahantsika mahita nefa fa tsy misy zavatra tsara tantana eto amin’ny firenena satria tsy mitoetra ny fipetraky ilay rafi-pitantanam-bola. Tsy mahafehy ilay hoe tsy hampisy ny kolikoly na ny fanodinkodinam-bola sy ny karazany fa lasa gaboraraka ihany ilay izy avy eo. Ny hananan’ny firenena vokatra nefa no ilaina fa tsy hananan’ny fitondram-panjakana mitantana ny vola, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"