airtel

Actualités

22-nov-2024

Ampihimamban’ny Fanjakana foibe

«Tsy hanana fidiram-bola intsony ilay kaominina no hiafarany»

Sample post image

Raha ho lasan’ny fanjakàna foibe ny hetra fakan’ny kaominina, hoy ny Front de libération national na FLN,

22-nov-2024

dia midika izany fa tsy hanana fidiram-bola na inona na inona intsony ilay kaominina no hiafarany. Miankina amin’ireo depiote milaza fa hitondra fampandrosoana ireo moa izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre. Tsy fantatro indray, hoy izy, na tsy fahatokisana ny ben’ny tanàna rehetra indray no hanaovana izany fa aleo ve izany any any amin’ny filohan’ny repoblika ny vola dia tsara tantana? Iarahantsika mahita nefa fa tsy misy zavatra tsara tantana eto amin’ny firenena satria tsy mitoetra ny fipetraky ilay rafi-pitantanam-bola. Tsy mahafehy ilay hoe tsy hampisy ny kolikoly na ny fanodinkodinam-bola sy ny karazany fa lasa gaboraraka ihany ilay izy avy eo. Ny hananan’ny firenena vokatra nefa no ilaina fa tsy hananan’ny fitondram-panjakana mitantana ny vola, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap