airtel

Actualités

26-mars-2026

ANDRANOTAPAHANA

AMBOHIDRATRIMO

Sample post image

Tanin'olon-tsotra3,9 ha bodoin'ny karana

26-mars-2026

Mbola mitohy hatrany ny fanodinkodînana ny tanin'ny Malagasy hataon'ireo teratany vahiny sasantsasany eto amintsika. Tany midadasika manodidina ny 3,9 ha no fantatra fa bodoin'ny orinasa Filatex eny Andranotapahana ao anatin'ny kaominîna Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo, raha ny filazan’ireo mponina. Nanao fihetsiketsehana teny an-toerana nilanja sora-baventy omaly Alarobia 25 Martsa folakandro ireo milaza fa tompon'ny tany sy ireo mpividy izay milaza fa mañana taratasy ara-dalana. Nambaran'ireo olona milaza ho mpandova fa 16 mianadahy izy ireo no tompon'ny tany, nividy sy nanajary izany nanomboka tamin'ny taona 1980. Nataony tanimbary sy dobon-trondro ireo tany novidiany. Nentiny teo anatrehan'ny mpanao gazety ny taratasy manamarina fa azy ireo ny tany, niaraka tamin'ilay tena tompony izay nivarotra izany tamin'izy ireo. Fantatra tamin'izany fa efa lasan'ity orinasa teratany vahiny iray ity ihany koa ny tanin'ity farany 1 ha.Voalaza fa nisy ampahana tany namidin'ny tompon'ny tany tamin'ny Filatex. Rehefa nanototra ny ampahan- tany novidiany anefa ity orinasa tera-tany vahiny ity dia nototofany avokoa ny manodidina fa tsy ilay novidiany irery no sady tamin'ny andro alina koa, hoy ireo milaza fa tompon-tany izay lasibatra. Tsy nahalala izany ny Fokontany hoy ny fitarainan'ireo milaza fa mpandova omaly. Rehefa nisy ny fifampiraharahana teo amin'ireo tompon'ny tany sy ny filatex nandritra izany dia nilaza indray ireto farany hoy ireo milaza fa tompon'ny tany fa ny mpandrefy tany no diso noho izany mila mamerina maka mpandrefy tany izy ireo. Ny mampalahelo anefa hoy hatrany izy ireo dia sady nitory azy teny amin'ny fitsarana ny Filatex no mbola nangataka ny hanafoanana ny taratasy fifampivarotana nifanaovana tamin'ilay tena tompon'ny tany ihany koa. Antso avo araka izany no hataon'izy ireo amin'ny Lehiben'ity orinasa tera-tany vahiny ity mba hijery akaiky ny raharaha. Toraka izany koa ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël. Tamin'izao Fitondrana izao mantsy no mba nisy fampanantenana fa averina amin'ny Malagasy avokoa ny taniny rehetra izay lasan'ny vahiny ka anisan'izany ity eny Andranotapahana ity, hoy ny fanamarihana.
Pati
Légende : Nanao hetsika niaro ny taniny ireo tompony omaly !
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap