Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby dia vinavinaina hikasika ny fari-dranomasina atsinanana io andro ratsy io amin’ny Alakamisy ho avy izao saingy tsy dia hisy fiantraikany loatra izany. Na izany aza anefa dia ahiana mafy hisian’ny rotsak’orana betsaka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy manomboka anio Talata sy afaka rahampitso alarobia. Ho maina kosa anefa izany manomboka ny andron’nyZoma. Hatevina kosa indray ny oram-baratra manerana ny Nosy amin’ity andro anio ity ka tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izany ny rehetra. Mikasika ny fetin’ny sasak’alina sy ny Krismasy manokana moa dia fantatra fa oram-baratra tsotra no mety hisy indrindra fa ny alin’ny 24 desambra.
Nangonin’i Pati
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.