Régionale FIP Analamanga tao an-tranony ny 09 Oktobra teo, tao Ambodimanga Anjozorobe, ny lehilahy iray 50 taona rehefa nanolana zazavavy kely vao 13 taona monja. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nofitahin’ity lehilahy ity sy tambatambazany ho any amin’ny toerana mangina ilay zazavavy kely hahafahany manao ny filan-dratsiny. Nosimbainy tokoa ilay zaza izay fantatra tamin’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo tany an-toerana. Efa eo am-pelatanan’ny Sampandraharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny ankizy ary ny olona marefo, ao amin’ny Kaomisaria Foibe Sabotsy Namehana, ny fanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.
Pati
Légende : Ity ilay Rangahy !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"