airtel

Actualités

03-déc-2025

Any am-ponja indray Ravatomanga

Nanenjana ny mpitsara

Sample post image

fa tsy misy ambonin’ny lalàna

03-déc-2025

Nalefa any amin’ny fonjan’i Melrose omaly 2 desambra 2025 i Mamy Ravatomanga, izay narahina polisy maro sy tena hary fitaovana ny andron’ny omaly 02 desambra. Io ny fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fitondrana azy tao amin’ny Hôpital psychiatrique Brown Sequard azy nanaovana fitsirihana ara-pahasalamana. Efa nentinatao amin’ny Hopitaly Victoria ihany koa nialohan’ny nametrahana azy tamina efitrana fiandrasana ka natao tsara ambina. Fanapahan-kevitry ny tribonaly ao Port-Louis no nanapaka ny hampidirana am-ponja azy, izay namafisin’ny polisy fa misy ny fiandrasan-draharaha ho an’ny gadra marary ao raha ilaina. Manomboka manenjena sy sosotra ny mpitsara Maorisianina raha halalinina amin’ny fanambarana manodidina ny raharaha Mamy Ravatomanga izay toa efa lasa manana endrika sinema mivezivezy eraky ny hopitaly sy ny fonja. Hentitra ny mpitsara nilaza hoe : « No one is below the law » na « tsy misy olona ambonin’ny lalàna » teo anatrehan’ny mpisolovava an’i Mamy Ravatomanga izay niezaka hatrany ny niady ny hitazonana ity farany amin’ny Hopitaly, hoy ny tatitry ny gazety Maorisianina Defimedia.info. Mihasarotra hatrany noho izany raha halalinina ny toeran’i Mamy Ravatomanga, ary sarotra ny hahafa-bela azy. Miatrika fiampangana vonjimaika noho ny fifanarahana maloto sy tsy ara-dalàna ary koa fiampangana roa momba ny famotsiam-bola i Mamy Ravatomanga, izay tonga tao Maurice tamin’ny alalan’ny sidina fiaramanidina tsy nahazoana alalana ny alin’ny 11 oktobra 2025. Mbola resaka hafa ny fanenjehana iraisam-pirenena toy ny ataon’ny Amerikanina amin’ny raharaha boeing 777.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap