airtel

Actualités

12-juin-2026

ARENDRINA

In-11 mandalo tanana vao

Sample post image

vita ny fanamboarana azy

12-juin-2026

Asa tena mafy sy mitaky masonkarena betsaka ny asa fanamboarana arendrina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray mpivarotra sy mpamokatra izany avy eny Imerintsiatosika mantsy dia in-11 mandalo tanana ny arendrina iray vao vita ny fanamboarana azy. Mividy taratasy, mandoko, manahy izany mba ho maina tsara, mamalona ny taratasy araka izay endrika hitiavana azy, mamantsika, manamboatra ny tahony.... Andro maromaro no lany hanamboarana azy nefa tena mora ny vidiny hoy ireo mpamokatra. Manomboka amin'ny 500 Ar no hividianan'ny mpanjifa iray azy eny an-tsena amin'izao raha 1000 Ar ny masonkarena. Raha vao tsy lany amin'izao ankatoky ny fetin'ny 26 Jona izao koa anefa ny arendrina novokarina tamin'ity taona ity hoy hatrany ny fanazavana azo dia entina any amin'ny trano fivoahana fa tsy azo teherizina intsony. Lasa bobongolo mantsy izy ireny no sady miova ihany koa ny lokony. Ho an'ity Renim-pianakaviana nanaiky niresaka tamin'ny gazety Tia tanindrazana ity izao dia arendrina 3000 isa monja no novokariny raha tokony ho 6000 isa hisorohana ny fatiantoka mety hisy. Manampy trotraka ny haratsian'ny tsena rahateo hoy izy ny fiparitahan'ireo arendrina vita Sinoa eny an-tsena. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery ny mpanao asa tanana malagasy noho izany ireo mpivarotra arendrina etsy amin'ny tsenan'Anosibe. Mahatsiaro ho sahirana mantsy izy ireo amin'ny fitontongan'ny vidin'ny entana nefa ny masonkarena tena lafo. Tafiditra ao anatin'izany ny vidin'ny akora izay miaka-bidy andro aman'alina.
Pati
Légende : Asa tanana Malagasy iveloman'ny olona maro ny fanamboarana arendrina !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2026

Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha

Card image cap
12-juin-2026

Betsaka ny asa vita sy hotanterahana,

Card image cap
12-juin-2026

Dimy taona aty aorian'ny nanombohan'ny

Card image cap
12-juin-2026

mba mitondra vola mody

Card image cap
12-juin-2026

tato anatin'ny 5 volana lasa

Card image cap