Mbola mitohy tsy mety vita ny raharaham-pitsarana ny afera Ambohimalaza izay efa niditra tamin’ny andro fahadimy omaly. Anisan’ny zava-baovao omaly ny nametrahan'ny Mpisolovavan'i Fenohasina sy ny reniny fangatahana ho mpangataka onitra, araka ny voafaritry ny Fehezan-dalàna momba ny paikady heloka. «Constitution de partie civile par voie d’intervention » no hiantsoana io, izay midika ny amin'ny hahafahan'izy ireo mandray anjara amin'ny fizotry ny raharaham-pitsarana amin'ny maha-mety ho niharam-boina azy, sy mitaky ny zony eo anatrehan'ny fitsarana, araka ny andininy faha-6, 192 ary 193 ao amin’ny Fehezan-dalàna paikady heloka. Raha halalinina, dia manamafy ny fiarovan-tenany izany i Fenohasina amin’ny alalan’ny fipetrahana ho isan’ny lasibatra, raha toa ka betsaka ireo lasibatra sy havan’ny maty no mandetika azy ho isan’ny tompon’andraikitra voalohany nahatonga an’izao rehetra izao. Araka ny fanazavan'ny mpisolovava, niniana nahemotra mihitsy ny fametrahana izany fangatahana izany noho ny fiandrasana ny fanambarana sy ny fanazavana avy amin'ireo mpitsabo. Nisy moa omaly ny fidirana tamin’ny fanadihadiana ireo mpitsabo tao amin’ny Sampana vonjy taitran’ny CHU JRA nandray an-tanana ireo voapoizina ny 14-15 jona 2026, izay natao tamin’ny alalan’ny « visioconférence ». Andaniny, nilaza ny mpisolovava Eloi Rakotomahefamijoro, fa nanaraka ny dosie ary niaro ny « partie civile » sasany, nanomboka tamin’ny fanadihadiana savaranonando, hatraty amin’ny mpitsara zokiolona didy, ka mahafantatra ny zava-misy rehetra, ka ny tompon’antoka voalohany amin’ity raharaha ity afenina fa ny olona sasany no hatao hisolo vaika ny ankalana entina hiarovana an’i Fenohasina sy ny mamany, ary efa niteny an’izany tany amin’ny famotorana tany Fiadanana. Mbola baraingo mandrak’androany hoe : iza izany ilay voalaza fa tena atidoha tao ambadiky ny raharaha sy ahiana fa miaro an’i Fenohasina sy ny havany ? Ampahany isan’ny nisongadina omaly ireo, ary andrasana hatrany ny tohiny sy ny ho fiafaran’ity raharaha mbola feno sangodim-panina sy misitery ity.
Toky R