airtel

Actualités

25-nov-2026

Gérard Ramamimampionona

«Fotoana tokony hahatsapàn’ny

Sample post image

solombavambahoaka tena izao…»

25-nov-2026

Ny antenimieram-pirenena izany sisa izao no andrim-panjakàna mijoro ara-dalàna, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Raha mihozongozona izany andrim-panjakàna izany, hoy izy, dia toy ny trano ihany io rehefa miozongozona ny andry dia miozongozona daholo ny trano manontolo kanefa rehefa nohenoina ny ankamaroan’ny hevitry ny olona taorian’ireny fanonganana birao maharitra teny Tsimbazaza ireny dia saika voafehy amin’ny hoe «Izay ifanosehanareo ao!». Ohatran’ny tsy misy akony amin’ny fiainam-bahoaka ilay korontana politika ary mampametra-panontaniana hoe inona mihitsy tokoa moa izany no ataon’ilay antenimieram-pirenena ho an’ny fiainan’ny vahoaka mivantana? Ohatran’ny sotrobe hazo hoy ny olona, raha very tsy mampalahelo, hita tsy mahafaly. Tsy tsapan’ny vahoaka mihitsy ny lanja sy hasina ary asan’ny antenimieram-pirenena eo amin’ny fiainam-bahoaka fa lasa kajikajin’izy samy izy. Ry zareo no mifandamindamina sy mifanakorontana ao ka any amin’ny resaka fitondràna any no mety misy akony izany. Ny tranga toy izao koa ve nefa mety hamparefo ny fitondràna mijoro eo satria kajikajy toy izany efa fanao teto? Rehefa mandeha ny kajikajy toy izany dia mampametra-panontaniana hoe mandeha am-pahamarinana sa mbola misy an’ilay mifanolotolotra zavatra ireny ve? Inona no fanavaozana amin’izany rehetra izany? Anaty andro sarotra toy izao indray ve ianao no hanakorontana? Fotoana tokony hahatsapàn’ny solombavambahoaka tena izao hoe tena miasa amin’ny vahoaka ve izy sa manao kajikajy samy mijery ny tombontsoany avy? Mifanilikilika sy mifamingampingana fotsiny ao. Izay ilay hoe tsy mahatsiaro tena fa tsy mahatsapa tena intsony na «double inconscience», hoy ny vahiny. Misy koa ilay hoe «double ignorance» na tsy fahalalàna intsony fa isika dia tsy mahalala ny fiainam-bahoaka. Hitady fanavaozana sy filaminana isika nefa ny lalana taloha ihany no tadiavintsika hizorana. Tena ho an’ny tombontsoa, ny soa iombonan’ny vahoaka ve ny politika atao eto? Mila mailo sy malina ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny tranga ao amin’ny antenimiera. Tokony ho soloina ireo sa avela ao? Raha ho soloina, sao hiala an’Ankatso dia Ambohidempona? Iaraha-mahalala ny toetsaina sy tanjon’ny mpanao politika «diso» maro an’isa eto amintsika fa ny hanompo tena, hangoron-karena ho an’ny tenany sy matim-boninahitra hanitsahana ny hafa. Ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany mba ahoana, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-nov-2026

Hangataka onitra ihany koa i Fenohasina…

Card image cap
25-nov-2026

distrika ! Avelao ny lehiben’ny

Card image cap
25-nov-2026

Mitaky ny fialan’ny Ben’ny tanana ireo

Card image cap
25-nov-2026

Manafatra vary 688.380 taonina i Madagasikara

Card image cap
24-nov-2026

Nahavitana mitsitsy gazoala mitentina

Card image cap
24-nov-2026

ireo fahazoan-dalany ny mpiasa

Card image cap