Mahalany vary 114 kg isan'olona isan-taona eo ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Tsy ampy ho an’ny vava homana anefa ny voka-bary eto an-toerana, ka tsy maintsy manafatra vary manodidina ny 688.380 taonina i Madagasikara. Nentina an-databatra boribory teny amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana Ambohidahy ny zava-misy ka natao ho antom-pivorian'ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, ny avy amin’ny Fadintseranana, ny Sampandraharaha misahana ny Hetra, Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro ary ny Vovonana momba ny Vary (Plateforme Riz). Fihaonana izay notarihin'ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Gilchrist Rakotoson. Nifantoka tamin’ny fandinihana ny famokarana eto an-toerana, ny filàna anatiny, ny vidim-bary ary ny famatsiana avy eto an-toerana sy ny fanafarana ny dinika. Niaiky ny mpandray anjara fa ilaina ny fampihantonana ny fampiharana ny haba amin’ny fanafarana vary amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao. Aorian’izay dia tokony ho fepetra hitsinjovana ny tantsaha mpamoka-bary eto an-toerana ny haba amin’ny vary hafarana. Niaiky ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny fifanakalozam-baovao sy antontan’isa hirosoana amin’ny fandraisana fepetra mampiaty, azo antoka ary azo hamarinina, indrindra fa miha-manakaiky ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra.
Nangonin'i Jean D.
Mbola vary afarana no mameno ny filàna eto an-toerana