ara-draharahana ho an’ny vehivavy
Fiaraha-mientan'ny vehivavy mpandraharaha 10 taona aty aoriana, hamerina indray ny lanjan’ny hetsika natokana ho an'ny fandraharahana sy ny fiaraha-mientan'ny vehivavy mpandraharaha "Women in Business" na WIB ny fikambanan'ny Vehivavy Mpandraharaha eto Analamanga (Femmes Entrepreneurs d'Analamanga na FEA) sy ny Fikambanan'ny Vehivavy Mpandraharaha eto Madagasikara (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar-GFEM).
VINA, FAHAIZA-MANAO, TSENA VAOVAO
Niforonany taona 2018, ny WIB dia isany fotoan-dehibe iray ao anatin'ny fampiroboroboana ny toekarena eto an-drenivohitra izay hiantefa manokana amin'ireo mpandraharaha maniry ny hanamafy traikefany sy ny fahaiza-manaony, ireo maniry hampitombo lenta ary ireo mitady "opportunité". «Mihoatra lavitra noho ny fivoriana tsotra, ny WIB dia sehatra iray hampisehoana nyfahaiza-manaonay, hampifandraisana ireo vina, hanokafana tsena vaovao ary hanamafisana ny lanja ara-toekarena ananan'ireo orinasa tantanan'ny vehivavy, eto Madagasikara toy ny manerana ny kaontinanta. » hoy Fanja Razakaboana, Filoha nasionalin'ny GFEM. Ny 26 Novambra 2016, no hanatanterahana ny "Women in Business 2026" izay iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka samihafa. Iray andro hisokafan'ny fifanakalozan- kevitra momba ireo lohahevitra maro manome fahafahana ho an'ny mpanjifa, banky, andrim-panjakana na fikambanana mpanohana, mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, manam-pahaizana ary mpanoro hevitra (mentors).
HETSIKA ENY ANKATSO
Mialohan'iofotoan-dehibe io anefa dia hisokatra ho an'ireo mpianatra sy tanora mitondra tetikasa ao amin'ny Oniversiten'Ankatso ny hetsika WIB anioAlarobia 25 novambra amin'ny 12 ora ka hatramin'ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fotoana izay hizaran'ireo vehivavy mpitantana efa za-draharaha ny lalana nizorany, ny niaingany, ny tsy fahombiazany ary ny niarenany. Tafiditra indrindra ao anatin'ny fanamarihana ny faha-10 taonany FEA izy ity izay hanasongadina ny loha-hevitra "Upgrade Together" ary hamondrona mpandray anjara miisa 200. «Maro ny lalana nolalovan’ny ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny ankapobeny ary isany vaindohon-draharahan’ny FEA tao anatin'izany ny fanohanana ireo vehivavy mpandraharaha mba ahafahan’ireto farany misehatra tsaratsara kokoa aoanatin'ny fandraharahana ataony na inona seham-pihariana misy azy», hoy TantelyRakotomalala, Filohafaritryny FEA. «Hery iray ny fahasamihafana misy ato amin'ny FEA», hoy izy. Namafisin-droa Fanja RAZAKABOANA ", filohan'ny GFEM kosa fa tsy misy ny fikambanana raha tsy misy ny mpikambana. "Izy ireo no mifanolo-tanana, miara-misalahy ary manohana ireo mpitondra fikambanana rehetra izay nifadimby ka nahatong aizao faha-10 taona izao. Tsiahivina fa rantsam-paritry ny fikambanana GFEM, mpikambana ao amin'ny tambajotra iraisam-pirenena FCEM izay hita any amin'ny firenena 35 ny FEA. Fikambanana izay mamory ireo vehivavy lehiben'orinasa avy amin'ny sehatra rehetra ka manana vina lehibe sy mitodika amin'ny fampandrosoana.
LALAINA RAV