Sefom-pokontany Niray hina nihetsika mitaky ny hialan’ny Ben’ny tanana ao Marotandrano, distrikan’i Mandritsara amin’ny toerany avokoa ireo sefom-pokontany miisa 27 any an-toerana. Nanatanteraka diabe namakivaky ny tanana izy ireo omaly Talata 24 Novambra no sady nilanja taratasy misy soratra mirakitra ireo maharary azy. Tamin’ny ankapobeny dia voalazan’ny soratra nolanjain’izy ireo fa mpanao didy jadona tsy refesi-mandidy Atoa Richard Bonda, Ben’ny tananan’i Marotandrano. Misy indray ireo milaza fa mpamita-bahoaka io Ben’ny tanana io satria tsy nahatanteraka ny fampanantenana nataony.... Takian’ireo sefom-pokontany ireo araka izany ny hametrahana PDS ao amin’ity kaominina iray ao Mandritsara ity. Milaza ny tsy hijanona moa izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany.
Nangonin’i Pati
Legende : Naneho soratra mampahafantatra ny alahelony tahaka izao avokoa ireo sefom-pokontany !