vohitra no hotendrenay ! »
Betsaka ireo Ben’ny tanana no mitaraina fa tokony ho izy ireny ihany no manendry ny sefom-pokontany hiara-kiasa aminy mba hisian’ny fitovian’ny fomba fijery amin’ny fampandrosoana ny tanana. Naneho ny heviny mifandraika amin’izay Rado Ramparaoelina, filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanana manerana ny Nosy ka nambarany fa tsy hamotsotra intsony ny sefom-pokontany tendreny ny distrika na rahoviana na rahoviana. Efa azy ireny hoy izy ary tsofina rano ho azy fa ny lehiben’ny vohitra kosa no aleo tendrenay Ben’ny tanana. Ny lehiben’ny vohitra hoy izy no tena mahalala ny zava-misy marina eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Tafiditra ao anatin’izany ireo maharary ny vahoaka, ny hetahetany, ny olana sedrainy.....Raha manana Fokontany miisa 12 ny kaominina iray dia misy vohitra 12 isa ao aminy. Tsiahivina moa fa ny mpitam-bola ihany no anjaran’ny Ben’ny tanana no manendry azy eny anivon’ny Fokontany. Ny ankoatra izay dia eo ambany fiahian’ny distrika avokoa. Mandray an-tanana izany ny sefom-pokontany sy ireo mpiara-miasa aminy.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina, Filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanana eto Madagasikara !