Efa am-polony ha izany raha araka ny vaovao azo. Manao trano bozaka sy mitevy ny ala manodidina azy izy ireo ary dorany avy eo mba hahafahany mamboly katsaka. Nandefa iraka avy amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny tompon'andraikitra misahana ny tontolo iainana ny governoran’ny faritra Sofia mba handrava ireo trano tsy ara-dalàna any anaty ala ka handray fepetra hentitra amin’ireo tratra mandripaka izany sy mandoro tanety.Nandositra niala tao ireo tsy mataho-tody vokatr’izany raha mbola tavela tao kosa ireo fitaovana nampiasainy sy ireo masomboly maro ka nodorana niaraka amin’ny tranony... Miandry ireo mikasa hiverina araka izany ny fokonolona ho fiarovana ireo aty ala sisa tavela.
Nangonin’i Pati
Legende : May tahaka izao avokoa ireo aty ala !
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny