airtel

Actualités

06-mars-2023

Actualités

Atsimo Andrefana sy Menabe Maherin’ny 2000 ireo traboina, 2 maty

Sample post image

Na tsy tena miditra an-tanety aza ny ivon’ilay rivodoza Freddy, dia miantraika amin’ny faritra maro any Atsimon’ny Nosy ny faharatsian’ny toetr’andro aterany.

06-mars-2023

Olona miisa 2 301 no tra-boina any amin'ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe hatry ny omaly. Iray amin’ireo toerana tena lasibatra ny any amin’ny Distrikan’i Morombe Faritra Atsimo Andrefana. Ao an-drenivohitr’I ny distrika mihitsy no isan’ny voa mafy satria dibo-drano tanteraka ny faritra iva noho ny fandalovan’ny oram-be. Nahafahana nitondrana lakana mihintsy eraky ny tanàna ny sabotsy sy omaly alahady, izay maneho fa henjana ny fahavoazana. Maro ireo olana nifindra toerana niala ny tranony ka nanantona izay toerana mba avoavo sy azo antoka. Ho an’ireo kaominina manodidina, dia vehivavy iray ihany koa no namoy ny ainy vokatry ny hatsiaka tafahoatra noho ny rotsak’orana tany amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ambahikily. Dibo-drano ihany koa ny ankamaroan’ny tanàna tany an-toerana. Zaza iray taona sy tapany ihany koa no maty nihotsahan'ny trano tao Andranovory, distrikan’I Toliara II,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap