airtel

Actualités

03-déc-2025

Banky Foiben’i Madagasikara

Norobaina sy nofotsian’ny Fitondrana Rajoelina ny vola…

Sample post image

Nanamafy ny ahiahy mikasika ny Fanaovana

03-déc-2025

tantely afa-drakotra ny vola tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM ny Mpitondra tenin’ny governemanta sady Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa. Raha tsiahivina, niparitaka ny sary sy vaovao samihafa nilaza fisiana fiara mampiahiahy nitatitra vola, nandritra ireny toe-draharaha nafana teto amin’ny Firenena nisian’ny tolom-bahoaka ireny. « Ny hoe tsy misy vola, dia eny ! Tsy haiko hoe nentin’ilay mpitantana teo aloha taiza daholo ny vola ! Nohararaotin’ireo mpitantana teo aloha ny namotsy ny kitapombolam-panjakana, ny kitapombolan’ny Minisitera,… », hoy ity Minisitra ity. « Isika miara-mahita fa tao anatin’ny hetsika, lazaiko izany fa tena nisy ny fangalana ny vola tao amin’ny BFM, fiara 4x4 miloko fotsy. Rehefa miresaka amin’ny governora ankehitriny izay mitantana eo izahay dia betsaka ny volam-panjakana na eny anivon’ny Minisitera aza tampoka teo dia nohararaotin’ny mpitondra teo aloha ny namotsiana ny kitapombolam-panjakana », hoy hatrany i Gascar Fenosoa. Naneho kosa io Minisitra io manoloana ny filazana fa hisy olana ny fandoavana ny karama. Tsy marina aloha, hoy izy, ny filazana hoe tsy ho ampy intsony ny karama satria misy tompon’andraikitra eto mamaha olana momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Mamaha olana ny tompon’andraikitra, ary fanamby izany,raha ny nambaran’io Mpitondra tenin’ny governemanta io. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa ny 18 oktobra, dia nisy namoaka fampahalalam-baovao ny teo anivon’ny Polisim-pirenena rehefa nahazo loharanom-baovao nikasika fisiana fiara sy olona nampiahy nivezivezy teny amin’ny Banky Foibe Antaninarenina, ka tonga nanamarina sy nanara-maso izany teny an-toerana ny avy eo anivon'ny Service Central des Affaires Criminelles (SCAC) sy ny Brigade Criminelle (BC) izay nahazoana alàlana tamin'ny Goverinoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara ny fisavana ireo mpiasa nivoaka sy niditra tamin’io fotoana io. Hita ihany koa fa nisy ireo fiara mivezivezy tonga manatitra vola sy mivoaka mitsinjara vola eny amin'ireo banky tsotra miainga avy ao amin'ny Banky Foibe, hoy ny fampitam-baovao. Somary saropady ity raharaha ity, ary heverina fa isan’ny stratejika amin’ny fiainam-pirenena, ka andrasana ny mety ho fisiana fanazavana teknika bebe kokoa mikasika an’io avy amin’ny Governoran’ny Banky Foibe na ny Minisitry ny toekarena sy ny vola sy ny mety ho politikam-panjakana hiatrehana izany. Andrasana noho izany ny mety ho famoahana vaovao ofisialy sy teknika kokoa manodidina ity raharaha ity. Amin’ny maha saropady sy mety fisian’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana ihany koa anefa dia mety sarotsarotra fa dia ankinina amin’ny fahendrena sy fahaiza-manaon’ny Mpitantana sy ny Fitondram-panjakana. Ny tsy azo lavina dia betsaka ireo afera maloto sy fanodinkodinana volam-panjakana tao anatin’ny Fitondrana teo aloha, izay nanaovan’ny Fitondrana ankehitriny fanamby ny hamongotra ireo fanetriben’ny Firenena, ka irariana mba tena ho tonga hatramin’ny farany ny fanadiovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap