airtel

Actualités

01-févr-2022

Actualités

BEMASOANDRO ITAOSY Lehilahy nahatrarana cocaine 2 grama

Sample post image

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy teny Bemasoandro Itaosy ny lehilahy iray 34 taona ny 29 janoary lasa teo rehefa nivarotra sy nidoroka cocaïne.

01-févr-2022

 

Fantatry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy olona mamatsy cocaïne eny amin’iny faritra Bemasoandro Itaosy iny. Nanao ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia izy ireo ka tra-tehaka teo am-pivarotana sy am-pidorohana cocaïne ny lehilahy ity lehilahy ity. Mbola tratra teny aminy ny cocaïne milanja 2g izay efa vita ao anaty sachet plastika. Araka ny fantatra dia fianakaviany izay mipetraka eny amin’ny faritra Itaosy ihany no manatitra izany ao aminy. Mahalafo 2grama in-droa isan-kerinandro ny tenany no sady mifoka ihany koa. Vidiany 35.000Ar ny grama ary hamidiny 40.000Ar indray avy eo ny iray grama amin’izany. Vao herinandro monja izy no nivarotra ka izao tra-tehaky ny Polisy izao. Ireo tovolahy mitovy taona aminy no manjifa izany ao aminy sy miara-midoroka aminy.

 

Pati
Legende Bemasoandro Itaosy Lehilahy iray nahatrarana cocaine 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Card image cap
30-avril-2024

Mihasarotra andro aman’alina ny olana mianjady amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Card image cap
29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap