airtel

Actualités

02-juin-2025

BEMASOANDRO ITAOSY

Nanaovana angaredona ny asa fanadiovana ny tanana

Sample post image

Nanaovana angaredona ny asa fanadiovan- tanana tamin'ny faran'ny herinandro

02-juin-2025

teo ho an'ny kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan'Atsimondrano. Ny Zoma faran'ny volana dia hatokana hanaovana grand ménage manomboka izao ho an'ny sekoly rehetra tsy an-kanavaka raha araka ny toromariky ny Ben'ny tanana. Mandray anjara amin'izany avokoa ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra. Ny Sabotsy faran'ny volana kosa dia natao ho fanadiovana manerana ny tanana ho fitsinjovana ny fahasalaman'ny mponina. Afak'omaly Sabotsy ohatra dia samy niezaka nandray ny andraikiny nanadio ny tandrify azy ny avokoa ny rehetra. Hita taratra izany teny Ampasika misy ny toerana famonoana omby. Toraka izany koa ny teny amin'ireo toerana be mpivarotra....Nazoto ny mponina tamin'ny ankapobeny no sady faly ihany koa noho ny voka-tsoa azony avy amin'izany.
Pati
Légende : Nafana fo tahaka izao ireo mpianatra sy mpampianatra !
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap