airtel

Actualités

20-sept-2022

Actualités

Ben'ny tanàna rehetra ao Bongolava Mitaky ny hanalàna ny prefen'i Tsiroanomandidy

Sample post image

Mitaky ny hanalana haingana ny prefen’i Tsiroanomandidy amin’ny toerany ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy any amin’ny Faritra Bongolava.

20-sept-2022

Efa tsy rariny sy tsy zakan'ny vahoaka any Bongolava intsony ny fangalàna vola ataon'ny prefen'i Tsiroanomandidy hoy izy ireo. 50 000 ar hatramin'ny 70 000 ar isaky ny omby, tsy misy rosia no fantatra fa alain’io tompon’andraikim-panjakana io amin’izany. Mbola nanamafy izany ihany koa ireo Raimandrenibe sy mpisehatra amin'ny resaka omby: "tsy zakanay ny vola alohanay rehefa hivarotra na hividy omby izahay. Mihoapampana loatra ny vola alaina aminay". Nisy ihany koa ny hafatra nataon'izy ireo ho an'ny filohan'ny SYNAD na sendikan’ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona. "Midina ianao aty Bongolava dia manaova fanadihadiana, miteteza kaominina dia ho hitanao ny marina" hoy izy ireo fa aza be resaka na miaroaro fahatanibe ny namanao fotsiny. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Amin’ny ankapobeny dia leo sy tofoka amin’ny hataon’ny prefen’i Tsiroanomandidy ireo Ben’ny tanàna any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo Ben’ny tanàna nanao fanambarana omaly
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap