airtel

Actualités

29-oct-2025

Ben’ny tanànan’Antehiroka

«Ny asa am-pinoana no ahombiazana»

Sample post image

Hita ho tena efa potika be ny fotodrafitrasa

29-oct-2025

teto anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antehiroka, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Rakotoarivelo, tamin’ny fotoana nandraisanay ny fitantanana izany kaominina izany. Hatramin’ny nisian’ny kaominina, hoy izy, no tsy nisy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa. Ny fifaneraseràna tamin’ireo mponina no nahatsapàna fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Hevitra hita ny fanaovàna ny antsoina hoe «gala», izay niantsoana ireo orinasa rehetra manodidina an’Antehiroka. Nasaina izy ireo handray an-tanana ny fanamboarana ny biraon’ny kaominina vaovao. Naseho azy ireo ny drafitra na «plan». Notanterahina tao amin’ny Paon d’or ny fifanakalozana. Tsy ireo tompona orinasa ihany no namaly ny fanasàna fa ny olona rehetra izay liana tamin’ny fampandrosoana ny kaominina ihany koa dia nandray anjara tamin’ny tapakila. Tao ireo orinasa lehibe manodidina toy ny Batimax, Inviso, Paon d’or, Ny Antsa transport, Nickel sy ny maro hafa tsy voatanisa. Ny fifanakalozana no nifampahatsiahivana fa manana tetibola voatokana hanaovana asa soa ireo orinasa ireo. Nangataka, noho izany, ny tenako hoe aleo mba hanaovana ny kaominina izany. Ny Batimax izao tonga dia nanolotra fitaovana mitenti-bidy 200 tapitrisa Ariary. Nifanarahana, satria ny kaominina tsy mahazo mikirakira vola, dia ry zareo ihany no manatontosa ilay asa. Nanolotra simenitra 2 Taonina ny Nickel, 1 Taonina no natolotry ny Ny Antsa transport. Mbola be dia be ankoatran’izay no nanolotra hatrany ivelany. Hatramin’ireo mponina, ary mbola entanina izay afaka manome, satria ny erikerika maha tondra-drano, hoy ny oha-pitenenana. Ny mitabe tsy lanin’ny mamba. An’ny taranak’Antehiroka io fa tsy an’ny ben’ny tanàna dia andao hiara-hientana. Tsy nisy fitondràm-panjakàna, na teo aloha na vaovao, nanao ny tetikasa. Tsy nisy anarana mpandraharaha nanome ihany koa. Voarakitra an-tsoratra mangarahara eto anivon’ny kaominina daholo izany. Porofo izany fa ny asa am-pinoana no ahombiazana. Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto. Misy Andriamanitra, hoy hatrany ny ben’ny tanànan’Antehiroka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap