airtel

Actualités

12-août-2025

Ben’ny tanànan’i Ranotsara avaratra

Naiditra am-ponja vonjimaika

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny tanànan’i Ranotsara avaratra, Manambelo Dolphe,

12-août-2025

raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Ny ranty nataony tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook, izay niampangàny fa nisy kamiao miisa 2 sy fiara fitaterana iray nitondra vato «corindon» tsy ara-dalàna hiakatra ao Ihosy no voalaza ho anton’ity fanenjehana azy ity. Nampangain’ny depioten’Iakora ho nanao fanalàm-baraka sy nanao fanambaràna tsy marina momba ny fitrandrahana tany Betsipoy izy, noho izany. Niafara tamin’izao fampidirana am-ponja vonjimaika izao ny raharaha, raha ny fampitàm-baovao voaray avy any an-toerana hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

Card image cap
15-mai-2026

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

Card image cap
KMF
15-mai-2026

ny fikaonandoham-pirenena

Card image cap