Ao anatin’ny 16 andro hanamarihana ny ady hatao amin’ny herisetra sy ny fanilikilihana, ireo BFP manerana ny faritra maro eto Madagasikara na ny Borigadin'ny Polisy vehivavy. Nanomboka ny 24 Novambra teo ny hetsika ka anisan'ny nahazo tombontsoa ny tao Ambilobe, Ambanja, Majunga, Toamasina, Antsiranana ary Morondava. Nifantoka tamin’ny fanentanana an-tsekoly, diabe entina maneho ny ady amin’ny herisetra sy fanilikilihana, fanabeazana ho an’ny daholobe, fandraisana sy fanaraha-maso akaiky ireo trangana herisetra mihatra amin’ireo ankizy sy vehivavy (VBG), fampahafantarana ny lalàna sy ny fomba fiarovana, ary fifampiraharahana amin’ireo ONG sy fikambanana mpiara-miombon’antoka ny hetsika rehetra natao. Ny tanjona dia ny fanamafisana ny tolona amin’ny herisetra, ny fiarovana sy fanomezan-danja ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy, ary ny fanatonana ny vahoaka amin’ny asa sosialy sy fampiharana ny Polisy manakaiky ny vahoaka. Nampitaina ihany koa ny fampahalalana momba ny andraikitra sy anjara asan’ny BFP, ny lalàna miaro amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ireo endrika samihafa isehoan’ny herisetra, ny andraikitry ny olom-pirenena amin’ny famantarana sy fanomezam-baovao, ny fitandremana amin’ny toerana mampiahiahy ary ny fanabeazana ho an’ny ray aman-dreny.
Pati
Légende : Santionany tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny BFP !