airtel

Actualités

18-juin-2025

Dany Rakotoson

«Lasa isatra daholo ny rehetra noho ilay fahantrana»

Sample post image

Manana asa sy andraikitra ary adidy hisian’ny filaminana ny fitondràm-panjakàna,

18-juin-2025

hoy ny mpandinika politika, Dany Rakotoson, amin’ny maha fitondràm-panjakàna azy. Eo ihany koa, hoy izy, ny fametrahana ireo mpanara-maso ny zava-drehetra. Tsy vaovao amina firenena iray ny fisian’izany zavatra izany. Mametraka izy ny atao hoe «agent de renseignement» na mpitsikilo hanara-maso ny fampandehanan-draharaha rehetra sy ny mpanao politika. Tsy vaovao amin’ny sehatra politika izany. Mbola anatin’ireo firenena faran’izay mahantra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Mbola tsy hitantsika hatramin’izao ny lalana ahafahana mampandroso aingana ilay firenena. Nandova firenena mahantra izao fitondram-panjakàna izao. Betsaka ny zavatra hitantsika nanomboka ny repoblika voalohany hatramin’izao. Tsy nipetraka mihitsy ny atao hoe stratejiam-pampandrosoana. Ny an’ny fitondrana ankehitriny moa dia fihetsiketsehana na «activisme». Rehefa tiana handroso ny firenena iray dia na ny mpanohitra io na ny olompirenena tsirairay dia miara-manohana izay stratejiam-pampandrosoana apetrak’ilay fitondràna izay. Ny zava-misy ankehitriny nefa dia lasa isatra daholo ny rehetra noho ilay fahantrana aloha, voalohany indrindra. Noho ilay tsy fitiavana ilay fitondràm-panjakàna satria nozarina foana ny olompirenena hankahala ny fitondràm-panjakàna izay eo. Nandeha ny repoblika voalohany, faharoa, fahatelo dia ny nametraka «diabolisation» na fanaratsiana foana no nataon’ny mpanohitra. Nilaza moa ny praiminisitra fa mamiratra ny haitarika na «leadership» an’ny filoham-pirenena ankehitriny. Matoa aloha izy tafapetraka teo amin’ny fitondràna dia manana izay haitarika izay saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe mahavaly ilay olam-bahoaka ve izay haitarikany izay? Matoa ianao maka fitondràna dia fantatrao hoe avy aiza no nisy io firenena io? Avy aiza ny olonao? Ho entinao ho aiza ireo olona ireo? Tsy azo raha tsy ao anatin’ny filaminana ny harena ka isan’ny ahafahantsika mandroso ny fisian’ny fitoniana na «stabilité». Tokony mba hiray hina daholo fotsiny nefa ny malagasy rehetra ary mazava ny vinan’ny fitondràna hoe ito no lalana izorantsika. Miray hina ho azy amin’ny fitondràna ny vahoaka raha manao ny laharam-pahamehana ny mpitondra. Amin’ny jeopolitika izao misy ireo ady any Israely, Iran, Okrainina, Rosia ireo. Tadidio fa raha vao tsy miray hina isika ao anatin’izany dia isika no tairaiky eo. Ny fampiraisankina ny malagasy fa tsy werawera no tokony ataon’ny mpitondra izao! Mila henoina ny tenin’ireo raiamandreny ara-drazana, raiamandreny ara-panahy, mpanohitra mba tsy hisian’ny fanaratsiana foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap