airtel

Actualités

01-sept-2025

Delestazy miha mafy, tsy mbola hita ny fanafodiny

Mampanahy ny hoavin'ny fivelomana maro

Sample post image

Azo lazaina ho mampanahy ny hoavin'ny fivelomana maro, eny,

01-sept-2025

ny tontolon'ny angovo eto Madagasikara mihitsy manoloana ity delestazy miha mafy sy tsy mety hita ny fanafodiny ity. Tsy misy izay tsy mitaraina ho simba fitaovam-piasana sy kojakoja mila herinaratra ao an-tokantrano na orinasa madinika toy mpanao volo sy mpanefy vy io na tokantrano samihafa. Ny fanazavan'ireo tekinisianina matetika moa dia ny hoe raha misy dia misy dia 7% amin'ny antsoina hoe angovo ihany izany atao hoe herinaratra ary hatreto dia ny 13%n'ny malagasy no misitraka ny herinaratra tsinjarain'ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy. Tsy izany aza ve nefa no tokony ho voafehy voalohany ny fitantanana sy fifehezana azy? Natao inona fotsiny izany ny famatsiam-bola na "subvention" amina miliara maro fanomen'ny fanjakana isan-taona, raha toa ka mbola toy izao hatrany no iainana amin'ny tontolon'ny famatsiana rano sy herinaratra eto amin'ity Madagasikara ity avy amin'ny JIRAMA? Raha io aza tsy voafehy, inona no fampandrosoana ny angovo azo antenaina eto amin'ity firenena ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap