ny tontolon'ny angovo eto Madagasikara mihitsy manoloana ity delestazy miha mafy sy tsy mety hita ny fanafodiny ity. Tsy misy izay tsy mitaraina ho simba fitaovam-piasana sy kojakoja mila herinaratra ao an-tokantrano na orinasa madinika toy mpanao volo sy mpanefy vy io na tokantrano samihafa. Ny fanazavan'ireo tekinisianina matetika moa dia ny hoe raha misy dia misy dia 7% amin'ny antsoina hoe angovo ihany izany atao hoe herinaratra ary hatreto dia ny 13%n'ny malagasy no misitraka ny herinaratra tsinjarain'ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy. Tsy izany aza ve nefa no tokony ho voafehy voalohany ny fitantanana sy fifehezana azy? Natao inona fotsiny izany ny famatsiam-bola na "subvention" amina miliara maro fanomen'ny fanjakana isan-taona, raha toa ka mbola toy izao hatrany no iainana amin'ny tontolon'ny famatsiana rano sy herinaratra eto amin'ity Madagasikara ity avy amin'ny JIRAMA? Raha io aza tsy voafehy, inona no fampandrosoana ny angovo azo antenaina eto amin'ity firenena ity?
J. Mirija
Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340
Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny
Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny