mpikambana eo anivon'ny governemanta. Nandray anjara feno tamin'izany ny depiote Livasoa Betafo, izay nanolotra ireo hetahem-bahokan’ny vahoaka Betafo teo anatrehan'ireo minisitra. Lalana: Ankoatry ny lalam-pirenena faha-34 izay mamakivaky ny distrika Betafo, dia 3 km monja amin’ny lalana mankany amin’ny biraon’ny distrika no vita goudron, saingy tena potika tanteraka amin’izao fotoana, hoy izy. Nitodika tamin'ny minisitry ny asa vaventy ny depiote Livasoa Randriatahinamalala, mangataka ny hanamboarana io lalana io mba ho « goudron » ihany fa tsy pavé, satria raha lalana efa goudron no havadika pavé dia fihemorana, fa raha lalana tany no hatao pavé dia fandrosoana. Bokin’omby: Nanome sosokevitra amin’ny fanitsiana ny andininy faha-8 amin’ny didim-panjakana 2017-023 ity depiote ity, izay milaza fa tsy maintsy mividy bokin’omby 4 ny tompon’omby, zarain’ny chef Fokontany, ny delegem-panjakana, ny zandarimaria, ary ny tompon’omby. Nolazainy fa tena tsy zakan’ny tantsaha izany, ka tsara raha ahena ho boky 2 ihany, ka ny délégué sy ny tompon’omby no mitazona azy, mba hampihenana ny vidiny. Ronono nafarana: Tafahoatra, hoy ny depiote, ny famelan’ny fanjakana hampiditra vokatra ronono avy any ivelany, mandoa saram-pitanterana am sambo,mandoa haban tseranana sns nefa dia mitovy vidy ary mora kokoa aza nohon'ny vokatra vita eto an-toerana(Tiko, socolait), izay mamono ny tsena anatiny, indrindra ho an’ireo tantsaha mpiompy omby vavy be ronono. Nolazainy fa sao tsy tena vokatra ronono ireny fa zavatra hafa nilokoina fotsy, ka mety hanimba ny fahasalaman’ny vahoaka. Nangataka izy mba hampihatra « patriotisme économique », ka ampiharina haban-tseranana hanakanana ny fidiran’ireo vokatra ireo. Fitsarana: Nitodika tamin’ny minisitra ny depiote, mangataka ny hanokafana biraon’ny fitsarana eto Betafo, satria amin’izao dia any Antsirabe no misahana ny distrika Antsirabe 1, Antsirabe 2, Faratsiho, Betafo, Mandoto, ka mampitarazoka ny asa fitsarana sy mampivezivezy ny vahoaka. Mangataka izy mba hiaraka amin’ny distrika Betafo sy Mandoto, mba hanamaivana ny fitsarana ao Antsirabe. Mbola maro ireo hetahem-bahoka tokony ho resahina, saingy voafetra ho 4 minitra isaky ny depiote ny fotoam-pitenana, hoy io depiote io.
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"