airtel

Actualités

28-août-2025

DEPIOTE RAJERISON ANTOINE

« Toy ny manezy no fiheveran'ny Malagasy an'io teleferika io! »

Sample post image

Tsy laharam-pahamehana ho an'ny firenentsika ny teleferika na ilay fitaterana an-taribia,

28-août-2025

raha araka ny fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny distrikan'Arivonimamo. Toy ny manezy no fijerin'ny vahoaka Malagasy an'io hoy izy, fitondrana ireo fianakaviana sy namana mitsangatsangana sy miala voly rehefa faran'ny herinandro na misy fety fa tsy hisy olona handeha ho any Ambatobe ohatra ka handany fotoana hilahatra amina kilometatra maro. Ny mampalahelo eto amintsika dia mihindram-bolabe...isika nefa alefa any amin'ny zavatra tsy laharam-pahamehana sy tsy mahasoa ny vahoaka akory. Ny tena maika izao hoy ny Depiote Rajerison dia ny famoronan'asa amin'ny alalan'ny fametrahana rindran-damina maty paika hananganana orinasa. Toraka izany koa hoy izy ny fanodinana ny vokatry ny tantsaha hahafahana mamaly ny filana anatiny sy any ivelany. Aminy araka izany dia tsy miroso mankany amin'ny fandrosoana velively ny firenentsika fa vao mankany amin'ny fahapotehana sy ny fahaverezana.
Pati
Légende : Ny depiote Rajerison Antoine mamaky bantsilana hatrany ireo zavatra tsy mety eto amin'ny Firenena !


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap