airtel

Actualités

21-janv-2026

Diplaomasia

Nanao veloma ny ambasadaoro

Sample post image

Amerikanina, tsy hisy solony…

21-janv-2026

Nanao fanaovam-beloma ofisialy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael sy ny vahoaka Malagasy ny Ambasadaoro Amerikanina niasa sy nonina teto Madagasikara Rtoa Marie Claire Pierangelo. Niasa teto Madagasikara nandritra ny 4 taona teo ity diplaomaty ity, ka tao anatin’izany dia maro ireo fiaraha-miasa sy fanohanana ary tetikasa nataon’i Etazonia ho an’i Madagasikara, toy ny tamin’ny sehatry ny tontolo iainana, fampianarana, fanabeazana, ny maha olona,… hoy ny tatitra tamin’ny ankampobeny. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara na dia handao ny Firenena aza Rtoa Marie Claire Pierangelo, nisaotra tamin’ny ambarany fa fahaizana mandray vahiny nataon’ny vahoaka Malagasy, izay nambarany fa tena tsapany nandritra ny fipetrahany teto Madagasikara. « Hijery ny tombotsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy amin’ireo asa miaraka amin’i Etazonia », hoy ny fanomezan-tokiny, notaterin’ny Fiadidian’ny Repoblika Malagasy. Na izany aza, baraingo tanteraka ny mbola hisian’ny ambasadaoro Amerikanina eto Madagasikara. Ny volana desambra 2025 teo, nanapa-kevitra ny Fanjakana Donald Trump fa lehiben’ny iraka diplaomatika any amin’ny firenena 29 farafahakeliny no nampahafantarina fa hifarana ny volana janoary ny fe-potoana iasan’izy ireo. I Afrika no voakasika indrindra izay Firenena 13 no hampodiana avy hatrany ny Ambasadaoro: Burundi, Kamerona, Cap-Vert, Gabon, Côte d’Ivoire, Madagasikara, Maorisy, Niger, Nizeria, Rwanda, Senegaly, Somalia ary Oganda. Ny Azia no faharoa, misy fanovana ambasadaoro any amin’ny firenena enina: Fidji, Laos, Nosy Marshall, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Filipina ary Vietnam. Firenena Eoropeana efatra no voakasika (Armenia, Macédonie, Montenegro ary Slovaquia), ary firenena roa any Afovoany Atsinanana (Alzeria sy Ejipta), roa any Azia Atsimo sy Afovoany (Nepal sy Sri Lanka) ary roa any amin’ny hemisfera andrefana (Goatemala sy Suriname). Tafiditra anaty lisitra mazava ho azy i Madagasikara ka toa misy zavatra mifanipaka ihany satria i Etazonia mametraka an’i Madagasikara ho stratejika toy ny fisiana iraka ambony miisa 3 tonga teto ny fiandohan’ny janoary, ny resaka fangatahana an’i Madagasikara handray ireo olona tsy ara-dalàna any Etazonia izay nambaran’ny Fanjakana fa mbola tsy novaliany,… Ny fahita hatramin’izay, rehefa tapitra ny fotoam-piasan’ny Ambasadaoro dia tonga avy hatrany ny solony fa eto mbola baraingo hoe tsy hisy ambasadaoro intsony izany ? Hosoloina mpiraki-draharaha fotsiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap