Hanamafy ny fiaraha-miasa i Madagasikara ara-diplaomatika sy ara-toekarena ny Firenena Malagasy sy Afrikanina Tatsimo. Nivoitra io tamin’ny tatitry ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, izay nihaona tamin’ny Filohan’i Afrika Atsimo Cyril Ramaphosa ny sabotsy lasa teo. Fitsidihana arak’asa no natao, maro ny nifanakalozana hevitra : fomba hahatongavana amin’ny repoblika vaovao faha-5, fanampiana mba hanasorana ireo sazy kely sisa amin’ny Vondrona Afrikanina satria anisan’ny Firenena matanjaka sy manana ny maha izy azy amin’ireny fikambanana ireny toy ny UA, SADC. Nanaiky izy ny hampiditra antsika ho mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny BRICS (Brésil, Russie, Inde,Chine, South Africa). Ara-diplaomatika, vonona ny Firenena Afrikanina Tatsimo handray ny ambasadaorontsika any an-toerana na rahampitso dia rahampitso aza, hoy ny Filoham-panjakana. Ara-toekarena, maro ireo mpandraharaha na « operateur » nihaonana sy nifampiresahana, ary naneho fa vonona ny hampiasa vola aty. Iray amin’izany ny indostrian’ny Siramamy vita amin’ny fary, ny famelomana ny SIRAMA izay hisy solontenantsika mety hampanantsoina any, ary avy eo no hijerena ny fomba hoenti-manao ny asa eto amintsika. Misy ihany koa ireo mpandraharaha afaka mamboatra làlana ary izy ihany no mahita ny famatsiam-bola fa ny fomba hamerenana azy no mbola hojerena, fa ny nangatahako tamin’izany dia ny fanokafana ny lalana makany Maintirano, hoy ny Filoham-panjakana. Mbola miandry ny fahatongavany eto amin’ny fanaovana sonia ny taratasy fiaraha-miasa eto. Nanamafy sy nampahatsiahy ny Filoham-panjakana fa zava-dehibe amin’ny roa tonta ny fiaraha-miasa efa nanombolka tany amin’ny 1994, ka miezaka ny hanohy azy isika. Nampiseho fahavonona izy matoa vonona ny handray ny ambasadaorontsika malaky dia malaky. Isan’ny nangatahan’ny diaspora antsika any ny hametrahana sidina Antananarivo-Pretoria na Johannesburg, fa jerena eo, indrindra rehefa tonga ireo mpandraharaha. Ranolava ny fihaonana diplaomatika sy dia stratejika nataon’ny Filoham-panjakana tato ho ato, ary ny fikatsahana hanokatra fiaraha-miasa mivelatra sy matanjaka, izay irariana mba tena hivadika asa sy vokatra azo tsapain-tanana azo refesina amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka.
Toky R