airtel

Actualités

21-mai-2026

Disadisam-pianankaviana

Notsatotsatohan-drangahy

Sample post image

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

21-mai-2026

Zava-doza no nitranga tao Tsararano Ambany ao Mahajanga. Notsatotsatohan'ilay Raim-pianakaviana tamin'ny antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy ka samy Naratra. Raha araka ny nambaran'ny manodidina dia efa nisaraka izy mivady ireo ka nisintaka ny tonkatranony nandritra ny 4 volana ilay vehivavy niaraka tamin'ny zanany. Nifindra niara-nipetraka tamin'ny rahavaviny tao Tsararano Ambany, Vakim-paritra C izy ireo taorian'izany. Afak'omaly talata 19 May hariva dia notafihin'ilay Rangahy, ka notereny hody ilay vehivavy saingy tsy nanaiky ity farany. Nikasa hitsoaka hiafina ilay Renim-pianakaviana saingy nenjehiny ka notsatotsatohany tamin'ny antsy rehefa tratrany tao anaty elakelan-trano. Toy izany koa ny nahazo ireo zaza roavavy kely rehefa niverenany sy avy nohidiany tao an-trano. Voalaza fa tonga ara-potoana ny Polisim-pirenena ary efa voasambotra Ilay Ray nahavanon-doza. Manaraka fitsaboana kosa ireo niharan'ny herisetra. Tsiahivina fa mampigadra 6 volana an-trano maizina raha kely ny fanaovana herisetra amin'ny zaza amam-behivavy tahaka izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nitangan'ny loza !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap