Mivoatra amin’izao fotoana izao ny diplaomasia malagasy, hoy ny mpikamban’ny NGPM na «Nouvelle génération politique de Madagascar», izay sady mpandraharaha ara-pizahantany, Durlin Retogniane. Anatin’ny fanavaozana rahateo isika, hoy izy, ka tsy misy maha ratsy izany. Fotoana ahafahantsika mamaritra ny diplomasia malagasy izao mba tena hitondra tombontsoa ho an’ity firenentsika ity. 60 taona mahery no niarahana tamin’ireo firenena tandrefana. Inona no vokany ho an’ny vahoaka malagasy? Hitantsika ny mahazo ny firenentsika izao fa tsy nitondra vokantsoa izany. Anaty fotoan-tsarotra isika ary saika ny tandrefana hatrany no nametraka ny mpitondra teto Madagasikara. Izay hitany azo baikoana sy ifampiraharahana no napetrany teo. Ankehitriny dia mihazakazaka mitady fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny tantsinanana. Tsy misy maha ratsy izany satria firenena manana ny fiandrianany sy fahaleovantenany ity firenena ity. Izay fahaleovantena izay no tokony ho porofointsika ato anatiny amin’ny alalan’ny diplaomasia hitodiantsika mba hitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka malagasy. Vao tsy ela no nisy pi-maso avy amin’ny rosianina. Toy izany koa ny firenena arabo. Farany teo ilay BRICS, izay isan’ny firaisana matanjaka ivondronan’ireo firenena tsy ahitàna firy firenena tandrefana. Efa misokatra ny BRICS izay fa tsy firenena miisa 5 intsony no ao. Efa firenena maro no ao ary miantso an’i Madagasikara hiara-hiasa aminy koa izy. Raha mitondra tombontsoa ho antsika ny fiaraha-miasa amin’ny tantsinanana dia deraina manokana ny fahasahiana diplaomatikan’ny filohan’ny fanavaozana. Hitantsika ny fanehoan-kevitry ny masoivoho eoropeanina teny Ivato fa tsy te hanary ny fiaraha-miasa amintsika ny tandrefana. Mihazakaza mankaty ny tantsinanana dia mahatsikaritra ny tandrefana fa mety hanahirana izay toe-draharaha izay ka miady mafy izy hitazonana ny fifandraisana ara-diplaomatika amintsika. Tsy misy azon’ny tandrefana atao satria manana ny fiandrianany i Madagasikara ary firenena iray manana ny hareny ka afaka mamaritra ny hoaviny amin’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika. Henatra ho an’ny tandrefana ny fampiasàn-kery amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay hisafidy hitodika mihantsinanana. Anjaran’ny tandrefana no mandresy lahatra an’i Madagasikara raha mbola te hijanona hiara-hiasa amintsika izy. Nandresy lahatra ny filohan’ny fanavaozana izao i Etazonia mba handray ny mpitsoa-ponenany eto dia iny nilaza iny ny filohan’ny fanavaozana hoe mbola tsy nanome valinteny. Betsaka tsinona ny mety ho risika anatin’izany toy ny hoe mety hitaraka korontana eto izany satria tsy amerikanina ireo na koa hoe mety ho mpitsikilo alefa eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny fanazavàn’i Durlin Retogniane.
J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona