airtel

Actualités

08-janv-2026

Durlin Retogniane

«Isika mihitsy aloha no mila miova vao afaka manova»

Sample post image

Be dia be no voafaoka ao anatiny rehefa

08-janv-2026

miresaka hoe fanovàna isika, hoy ny mpanao politika sady mpisehatra amin’ny fizahantany, Durlin Retogniane. Tafiditra anatin’izay ny fikendrena ilay teny hoe fanovàna, hoy ny tenany. Maika ny hoe isika mihitsy aloha no mila miova vao afaka manova. Fototenin’ny hoe fanovàna ny hoe manova. Tsy afaka manova isika raha tsy miova. Ny tsirairay no tokony hiova. Fotoana ahafahantsika miova izao. Ny mila ovaina voalohany dia ilay toetsaina. Rehefa miova ny toetsaintsika dia tanteraka ho azy ny fanovàna. Ilàna fiaraha-mientana izany. Miara-miroana mankany amin’ny fanovàna ve ny tsirairay? Miara-mirona any amin’ny fanavaozana ve? Raha raisintsika fotsiny, ohatra, ny eo anivon’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, dia azo jerena amin’ny ankapobeny fa misy ny sasany tena hitanao hoe miroso mankany amin’izay fiovàna izay amin’ny alalan’ny vokatra satria izay no andrasan’ny vahoaka amin’izay asa nampisahanina azy. Eo ilay fahaizany mandanjalanja ny resaka ataony sy ny asa ataony satria misy fitohanana na «décalage» eo amin’ny teny avoakan’ny vavantsika sy ny asa andrasan’ny vahoaka. Anjarantsika tsirairay no mijery hoe iza no minisitra niteny ny ataony ka nahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany? Tokony miainga amin’izay ny tombana atao amin’ny minisitra tsirairay! Tena ilaina koa ny fahaizana miaina eny anivon’ny fiarahamonina. Na amin’ny lafiny firesahana io na rehefa mianjaika na rehefa mandray olona. Mifototra amin’izay koa izany ny fanovàna. Rehefa lasa olona manana ny toerany eo amin’ny fiarahamonina na «personnalité public» ny olona iray dia tsy tokony atao ambanin-javatra izany satria any aminao ny mason’ny vahoaka. Lasa fitaratra ianao ka rehefa izay zavatra manelingelina ny mason’ny vahoaka izay no hitany eny aminao dia tsy dia mety izany ho an’izay ho tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Azo jerena ankampobeny ny fiovàna toy izany eo amin’ireo mpitondra teo aloha sy ankehitriny ary azo jerena antsipiriany koa nefa tsy ho jereko izay antsipiriany izay fa manjary manahirana be satria raharaham-pirenena no resahina. Ny ankapobeny aloha dia ahitàna hoe miroso mankany isika na dia misy maningana aza ny sasany eo anivon’ny mpikambana anaty governemanta, raha ny momba izay lafin-javatra miisa 2 nolazaiko teo izay fotsiny, hoy hatrany i Durlin Retogniane.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap