airtel

Actualités

24-mars-2025

Efa namono olona 2 ny fiakaran’ny rano

Anaty loza mitatao Antananarivo Atsimondrano…

Sample post image

Taorian’Antananarivo Avaradrano izay lasibatry ny tondra-drano tapa-bolana lasa,

24-mars-2025

dia anaty loza mitatao na fanairana miloko mena ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano noho ny fiakaran’ny rano. Noho ny rotsak’orana be dia be ny sabotsy teo, namoaka filazana fanairana mena ho an’ny lemaka manodidina an’Antananarivo ny APIPA, indrindra fa ireo faritra amoron’ny reniranon’i Sisaony. Nahatratra 100 mm ny rotsak’orana tany Andramasina, ka nahatonga fiakaran-drano haingana izay mampitatao ireo kaominina maro ao amin’ny Grand Tana, toy ny Ampitatafika, Itaosy, Fenoarivo, ary Ambohitrimanjaka. Mihatra amin'ireto kaominina manaraka ireto ny filazana fampitandremana miloko mena na loza mitatao vokatry ny fiakaran'ny renirano Sisaony : Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Efa namoizana ain’olona roa ny fiakaran’ny rano nandritra iny faran’ny herinandro iny noho ny fahavakisan’ny fefiloha teny Ambohijanaka, ka nisian’ireo zaza 9 sy 5 taona lasan’ny rano izay namoy ny ainy, ankoatra ny fahapotehana samihafa. Raha ny tatitra omaly tamin’ny 02 ora tolakandro, ny haavon’ny reniranon’i Sisaony dia efa nahatratra 4,25 m teo amin’ny haavony teo Ampitatafika tamin’ny 12 ora atoandro, niakatra 0,13m tao anatin’ny 2ora, izay mihoatra lavitra ny fetran’ny filazana miloko mena (3,50 m). Vinavinaina hitoetra hatrany ny oram-baratra eto amin’ny Nosy. Tombanana ho betsaka kokoa ny rotsakorana amin’ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany. Mety ho 35 hatramin’ny 50mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora indrindra any amin’ny ilany ho an’ Analamanga, ny distrikan’i Antanifotsy, Ambatolampy, Moramanga ary Anosybe an’Ala. Noho izany, mbola hiakatra hatrany ny rano anatin’ny 12 ora ho avy, ka mampitombo ny loza ateraky ny tondra-drano amin’ireo faritra voakasik’izany, hoy ny filazana omaly tolakandro. Miangavy ny mponina mba ho mailo, hifampizara vaovao, ary hanaraka ireo toromarika napetraky ny tompon’andraikitra hisorohana ny loza mety hitranga, hoy ny toromarika. Vokatry ny tondra-drano, misy fiantraikany amin’ny rano fisotro madio koa ity toe-draharaha ity. Nambaran’ny Jirama fa dibo-drano ny toby famokarana rano any Ankadivoribe, ka manelingelina ny fizarana rano amin’ny faritra Ankadivoribe, Andoharanofotsy, Mahabo, ary Iavoloha. Antony iray tokony hitandreman’ny mponina any amin’ireo toerana ireo izany, ary tokony hanaraka ny toromarika avy amin’ny manampahefana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap