airtel

Actualités

25-sept-2025

EMMONAT

« Handray fepetra hentitra izahay ! »

Sample post image

Toy ny mahazatra, nisy ny fanambarana nataon’ireo

25-sept-2025

Lehiben’ny EMMONAT ahitana ny avy amin’ny zandarimaria, polisim-pirenena, ary ny tafika omaly eo anatrehan’ny hetsi-bahoaka leo delestazy anio. « Manoloana ny fihantsiana hetsika sy fikasana hanao fanakorontanana ho an’ny andron’ny 25 septambra dia nampahafantatra ny eo anivon'ny EMMONAT (zandary, polisy, tafika) itambaran'ny zandary ary Polisy ary Tafika fa tsy mahazo alalana tamin'ny manampahefana ny hetsika ka tsy azo ekena ary handraisana fepetra hentitra ho an'ireo izay minia mandika lalàna satria zava-dehibe ho an'ny mpitandro filaminana ny tombontsoan'ny be sy ny maro. », hoy ny fanambarana. Namafisina fa tsy nahazo alalana tamin’ny manam-pahefana ny hetsika, ka fandikan-dalàna ny fanatanterahana izany. « Manohintohina filaminam-bahoaka sy ny fahalalahan’ny tsirairay hivezivezy, ka miendrika ho ambana mitarika herisetra », hoy hatrany ny fanambarana. Milaza izy ireo fa mitsinjo hatrany ny tombotsoa iombonana ny mpitandro filaminana ka miaro ireo olona sy ny fananany, ny fotodrafitrasa, ary ny andrim-panjakana. Nambara tamin’ny alalan’ireo be galona fa mametraka ho zava-dehibe ny filaminana sy fahafahan’ny tsirairay miatrika am-pitoniana ny fiainana andavanandro ho tombotsoan’ny firenena sy ny besinimaro ny mpitandro ny filaminana. Fa ny delestazy sy tsy fisian-drano izay tena tafiditra anatin’ny filàna fototra sy miantoka fihariana maro izany tsy fanohintohinana ny fiainana sy fiharian’ny besinimaro. Manentana ny olom-pirenena ho tony, tsy ho voatarika amin’ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Handray fepetra henjana ho fisorohana sy famaizana ireo manao fandikan-dalàna, hoy ny EMMONAT. Fandikan-dalàna tokoa ve ny fanehoana fa leo delestazy ? Tsy mba miaina jiro sy rano tapaka lava ve izy ireo sy ny fianankaviany ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap