airtel

Actualités

18-avril-2025

Fadin-tseranana Malagasy

Nampiditra 971,7 miliara Ar tao anatin’ny 3 volana

Sample post image

Nahatratra 971,7 miliara Ariary ny vola nampidirin’ny Fadin-tseranana Malagasy

18-avril-2025

tamin’ny telo volana voalohan’ny taona 2025, ka 266,7 miliara Ariary no avy amin’ny solika ary 705,0 miliara Ariary no avy amin’ny vokatra hafa, raha ny tatitra. Nandritra io vanim-potoana io ihany, dia nambaran’ny Fitantanana ankampoben’ny Fadin-tseranana fa nahatratra 6 226,9 miliara Ariary ny fanafarana entana, izay mitentina 1 327,6 tapitrisa dolara amerikana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fandraharahan’ny orinasa manana zo manokana (entreprises franches) sy ireo asa hafa tsy andoavana hetra. Ho an’ny telovolana voalohany amin’ny taona 2025, teo amin’ny 142,7 miliara Ariary amin’ireo hetra sy haba amin’ny fanafarana entana no nafoy na nesorina tamin’ny alalan’ny taratasy fanamarinana manokana (notes de Conseil). Zava-dehibe ny fampidiram-bolan’ny fadin-tseranana kanefa na izany aza, mbola lesoka ho an’i Madagasikara hatrany ny tsy fifandanjan’ny fanafarana entana izay manatombo sy ny fanondranana izay latsaka kokoa ao anatin’ny antsoina hoe : «balance commerciale ». Betsaka kokoa mazava ho azy ny vola mivoaka amin’ny fanafarana noho ny fanondranana, izay miiba ny akony ara-toekarena, ka raha te handroso, dia mila mamokatra sy manondrana fa mihisatra ho Firenena mpanafatra sy mpanjifa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

anarana biometrika i Madagasikara

Card image cap
13-janv-2026

Raim-pianakaviana. iray vao 22 taona

Card image cap
09-janv-2026

sy sarany tena sahaza ireo manam-pahaizana!»

Card image cap