airtel

Actualités

16-nov-2026

Famatsiana

herinaratra

Sample post image

Tontosa ny fametrahana

16-nov-2026

ireo milina 5,5MW ao Toamasina
Tontosa ny sabotsy 14 Novambra 2026 teo ny fametrahana ireo vondrona milina mpihary herinaratra (Groupes électrogènes) vaovao, manana tanjaka 5,5 MW hanamafisana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Dingana manaraka ny fanatanterahana ireo pitsopitsony amin'ny lafiny teknika, sy ny andrana voalohany, mialoha ny fampidirana azy amin’ny Tambazotra Iraisan'i Toamasina (RIT), hoy ny fanazavana teknika. Tanjona ny fanamafisana sy fanatsarana ny famatsiana herinaratra any an-toerana, raha ny fanamarihana. Ankoatra izay, efa tafatsangana ireo andrin-jiro nisy nikapa. Eo teo am-pisintonana sy fametrahana ireo tariby ny ekipa ny sabotsy teo, ary niasa alina tontolo. Mikasika ny fiarovana ny fananana iombonana, dia efa misy ny fifampiresahana amin’ny mpitandro ny filaminana momba ny fametrahana vondrona manokana hiaro ireo fotodrafitrasa, anisany ny eto Toamasina. Na izany aza, tsapa sy tsikaritra ny fitomboan’ny olana hafa, izay asa hoe : olana teknika tsotra sa misy ambadika hafa ? Nisy nanatsofa ny andrin-jiro lehibe teo, nirehitra ny transformateur,… Enga anie hijanona amin’ireo !
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap
16-nov-2026

Hanondrana 18.000 taonina i Madagasikara

Card image cap
16-nov-2026

Tezitra mafy, tsy nety nandoa vola

Card image cap