Manoloana ny fitomboan’ireo tranga fanimbana sy fangalarana fotodrafitrasa famatsiana herinaratra sy rano manerana ny faritra maro eto Madagasikara, nampitandrina tamin’ny fomba hentitra ny Fanjakana sy ireo Hery Fiarovana sy Filaminana fa tsy azo ekena intsony ny asa fanakorontanana izay manimba ny fiainan’ny vahoaka isan’andro. Nambara fa tsy trangana halatra tsotra intsony no miseho amin’izao fotoana izao, fa misy mihitsy ny fanimbana niniana natao tamin’ireo fotodrafitrasa stratejika an’ny JIRAMA, hoy ny fanambarana teny Ampahibe ny sabotsy teo, notarihin'ny Tale jejeraly Jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Tao Toamasina, andrin-jiro telo mirefy 12 metatra no voalaza fa notapahina sy nazera niniana, sady nisy tariby mitondra herinaratra mahery vaika nangalarina. Vokatr’izany dia tapaka ny famatsiana herinaratra avy amin’ny tobim-pamokarana Volobe I, ka nahakasika mpanjifa maro. Any amin’ny faritra Itasy kosa, lasa tranga miverimberina saika isan-kerinandro ny halatra tariby. Miteraka fahatapahan-jiro maharitra eny amin’ny lalam-pirenena voalohany izany, ka mampitaraina ny mponina sy ny mpampiasa lalana. Tsy ny herinaratra ihany anefa no voakasika. Tetsy Mandroseza, fantson-drano lehibe DN500 no vaky vokatry ny fanimbana niniana natao, ka niteraka olana teo amin’ny famatsian-drano ho an’ny mponina eto Antananarivo. Tao Anosivavaka indray, andrin-jiro niniana nazera no nahatonga fahatapahan-jiro. Rehefa vita ny fanarenana dia mbola niverina nirodana fanindroany ilay andry, izay vao mainka nampiahiahy ny manampahefana. Nisy tranga hafa ihany koa tetsy Ivandry, izay nahitana andrin-jiro nodomin’ny fiara ka niteraka fahatapahan-jiro nandritra ny alina. Manoloana ireo zava-misy ireo, nanambara ny Fanjakana fa hohamafisina ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa famatsiana herinaratra sy rano. Hiara-kiasa amin’izany ny JIRAMA, ny mpitandro filaminana ary ireo manampahefana eny ifotony. Nomarihina fa hanaovana fanadihadiana lalina ireo raharaha rehetra, ary hosamborina sy hohelohina araka ny lalàna ireo tompon’andraikitra, na ireo mpanatanteraka mivantana, na ireo mety ho mpiray tsikombakomba, mpaniraka na mpamatsy vola. Nampitaina ihany koa ny antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin’ny fiarovana ny fananam-pirenena. Nentanina ho mailo ny fokontany sy ny vondrom-bahoaka eny ifotony, ary hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha mahita fihetsika mampiahiahy manodidina ireo fotodrafitrasa iombonana. Araka ny nambaran’ny manam-pahefana, tsy maintsy arovana ny fananam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka, satria ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa ireo dia miteraka fahasahiranana mivantana ho an’ny Malagasy maro miankina amin’ny rano sy ny herinaratra isan’andro. Misy gafy sy sabôtazy iniana atao hanampiana trotraka ny olana misy entina hanakorontana sy hiteraka fahatezeram-bahoaka? Iza no mahazo tombotsoa ?
Toky R