Mbola manintona ny sain’ny maro any Maorisy sy Madagasikara ny raharaha mahakasika an’i Mamy Ravatomanga. Raha mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny ady eny amin’ny fitsarana, dia fantatra izao fa mikasa hametraka fitoriana eny anivon’ny Central Criminal Investigation Department (CCID) ity mpandraharaha malagasy ity. Araka ny nambaran’ny mpisolovava azy, Me Khushal Lobine, dia mbola tsy fantatra mazava ny votoatin’ny fitoriana kasain’ny mpanjifany hapetraka. Nilaza izy fa tsy mbola nahazo fanazavana momba ny fanambarana tian’i Ravatomanga hatao ny ekipa mpiaro azy. Na izany aza, milaza fa vonona ny hiaraka aminy sy hanara-maso ny dingana rehetra ara-dalàna ireo mpisolovava raha vantany vao mahazo alalana hametraka fitoriana izy na tonga maka ny fanambarany ny tompon’andraikitry ny CCID. Niakatra Fitsarana indray moa i Mamy Ravatomanga ny 12 novambra teo. Nandritra ny fihainoana natao teo anatrehan’ny Fitsarana ao Port-Louis ny alakamisy teo, dia nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny hanafoanana ireo fiampangana vonjimaika miampanga an’i Mamy Ravatomanga ireo mpisolovava azy. Fiampangana telo no lasibatr’io fangatahana io : fiampangana roa momba ny famotsiam-bola; fiampangana iray momba ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana heloka bevava. Araka ny voalazan’ny Financial Crimes Commission (FCC), mifototra amin’ny hetsika voalaza fa nitranga ny 14 sy 25 oktobra 2025 ireo fiampangana ireo.
MANOHITRA MAFY NY FISAMBORANA HO TSY MITOMBINA
Ny lafiny fiarovana kosa dia mihevitra fa tsy ampy ny antony ara-dalàna nanamarinana ny fisamborana ilay mpandraharaha. Miantehitra amin’ny andininy faha-5 (1)(e) ao amin’ny Lalàmpanorenan’i Maorisy izy ireo, izay milaza fa tsy maintsy misy ahiahy mitombina sy porofo manamarina fisian’ny fandikan-dalàna iray vao azo atao ny manaisotra ny fahafahan’ny olona iray. Noho izany dia miezaka manozongozona sy manontany ny maha-ara-drariny ny fisamborana sy ny fiampangana napetraka amin’i Ravatomanga ny mpisolovava azy. Raha eken’ny fitsarana ny fangatahan’izy ireo dia mety hisy fiantraikany lehibe amin’ny fizotry ny raharaha izany.
TSY AFA-BELA…
£Tsiahivina fa nosamborina ny 24 oktobra 2025 i Mamy Ravatomanga, raha napetraka ny 6 novambra 2025 kosa ireo fiampangana vonjimaika. Hatramin’izao dia mbola tazonina am-ponja vonjimaika izy, eo am-piandrasana ny fitohizan’ny fanadihadiana. Etsy ankilany, mbola manohy ny asany ny FCC amin’ny fanangonana sy fandinihana ireo porofo rehetra mifandraika amin’ity raharaha ity. Hiverina hodinihin’ny fitsarana ny raharaha ny 13 janoary 2027, daty izay andrasana hamoahan’ny fampanoavana ny fijeriny ofisialy momba ny fangatahana napetraky ny fiarovana sy ny fandrosoan’ny fanadihadiana. Raha ny fijerin’ireo mpanara-baovao dia miditra amin’ny dingana vaovao sy saropady ity raharaha ity. Eo anelanelan’ny fanambaran’ny fiarovana sy ny valin’ny fampanoavana no hamaritra ny ho avin’ny dosie iray izay mbola mampiady hevitra sy arahin’ny maro akaiky, na any Maorisy izany na eto Madagasikara.
Toky R