airtel

Actualités

16-nov-2026

LEHILAHY IRAY

VOAFITAKY NY SARIM-BAVY

Sample post image

Tezitra mafy, tsy nety nandoa vola

16-nov-2026

Ahitana trangan-javatra maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Lehilahy iray no voafitaky ny sarimbavy rehefa saika haka fahafinaretana taminy ka tezitra mafy teto an-drenivohitra. Tsy vehivavy ilay izy fa lehilahy sarimbavy(Pelaka). Raha araka ny fantatra dia tsy fantatr’ilay lehilahy mihitsy izany tamin’ny fotoana nifanarahan’izy ireo. Raha ny fitantarany, dia somary mamomamo ny tenany. Nahita mpivaro-tena izy nandritra izany ka nihevitra mba haka fahafinaretana. Nifanaraka ary ny roa tonta, saingy rehefa tafiditra tao an-trano izy vao fantany fa hay tsy vehivavy fa lehilahy sarimbavy ilay nifanaraka taminy. Tezitra noho izany ilay tovolahy satria nahatsiaro ho voafitaka ka nikasa ny hiala noho ny fahadisoam-panantenana. Nitaky vola taminy anefa ilay sarimbavy fa efa nisy safosafo sy zavatra maro vita hono, saingy tsy nanaiky nanome vola mihitsy ilay tovolahy. Nivadika ho fifamaliana sy ady izany arak'izany ny raharaha ka nalain'ilay sarimbavy ny findain'ilay tovolahy . Tsy nanaiky lembenana koa anefa ity farany ka raikitra ny sakoroka ary nihafara tamin’ny fitangoronan'ny olona izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nangotraka tahaka izao ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta !
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap
16-nov-2026

Hanondrana 18.000 taonina i Madagasikara

Card image cap
16-nov-2026

Tontosa ny fametrahana

Card image cap