airtel

Actualités

16-nov-2026

Sakoroka

sy fanararaotana tao Antsirabe

Sample post image

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

16-nov-2026

Raikitra ny sakoroka tany Antsirabe ny sabotsy 14 novambra teo. Nanao hetsika ireo mpitarika posy ho fanoherana ny fanapahan-kevitr'ireo tompon'ny posy hampiakatra ho 7 000 Ariary ny hofany isan'andro, raha 5 000 Ar ihany no takian'ireo mpitarika hotazonina. Nilaza anefa ireo tompona posy fa noho ny fitakian'ny Kaominina ny fandoavana hetra amin'izy ireo no anton'ny fampiakarana. Raikitra ny sakoroka rehefa tsy nahomby fifampiraharahana. Nirefodrefotra ny lakrimozenina. Simba ny biraon'ny Kaominina any Antsirabe sy ny fiaran'ny polisy vokatry ny grevy, simba ny biraon'ny voirie,... Hatramin’ny fananan’olon-tsotra toy ny fiara nisy rotiky ny tora-bato. Andaniny, tsy mijanona amin’ny resaka fitakian’ny andaniny, fa mifoha ihany koa ireo karazana fanehoan-kevitra sy fifampitsikerana maro, toy ny resaka lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny resaka tsy fisiana na tsy fahampian’ny taratasy ara-dalàna eo amin’io karazana fitaovam-pitaterana io,… Etsy ankilany, nanohitra ny fanesorana azy amin’ny toeram-pivarotany ihany koa mantsy ireo mpivarotra amoron-dalana. Niditra an-tsehatra ny Préfet, ny Lehiben’ny Faritra ary ireo tompon’andraikitra hafa, izay niantso ny rehetra hiditra amin’ny fifampiresahana. Voalaza fa horaisina tsirairay anio alatsinainy ireo mpitarika mba handinihana ny olana. Na teo aza izany, mbola nitohy ny fihetsiketsehana teo anoloan’ny Kaominina ny sabotsy. Ankoatra ny fanimban-javatra, nisy andian’olona nitady hanakorotana sy handroba fananam-bahoaka. Hatramin’ny hopitaly misy zaza vao teraka aza nisy nitoraka, izay naka sary tratry ny fandrahonana sy herisetra, ny fiaran’olon-tsotra nisy potiky ny tora-bato,… Nisy ny fanararaotana, niezaka nisoroka tamin’ny alalan’ny fanapariahana tamin’ny lakrimozenina ny mpitandro filaminana. Tafakatra 22 no voasambotra vokatry ny sakoroka sy ny fanakorontanana, ary fanimbana fananam-bahoaka, mpitandro filaminana iray naratra,... Ny sabotsy teo, noraisina ny didim-pitondrana mandrara ny fivezivezena amin'ny alina ao amin'ny Distrikan'Antsirabe Voalohany, manomboka amin'ny 07ora hariva ka hatramin'ny 04ora maraina, nanomboka ny sabotsy 14 novambra 2026 teo ka mitohy mandra-piverin'ny filaminana tanteraka ; foana sy tsy manan-kery avokoa izay fanapahana na didim-pitondrana mifanohitra amin'izao didim-pitondrana izao. « Ny mpitandro ny Filaminana eto amin'ny Distrikan'Antsirabe Voalohany izay tarihin'ny Kaomiasaria Foibe sy ny Lehiben'ny Vondrontobim-paritry ny Zandarimaria ary ireo rehetra manana ny fahefam-panjakana araka ny andraikiny avy dia didiana mba hanatanteraka ity didim-pitondrana ity, izay ho raiketina sy ampitaina ary ahely amin'izay rehetra mety ilana azy. », hoy ny toromarika ara-panjakana. Ny tompona posy mila vola, ny mpitarika mila mikarama, ny vahoaka mila posy, ny Fanjakana mila hetra,… Tsy maintsy sakoroka sy korontana ve vao azo arindra ? Dia avy ihany koa ny mpanararaotra na ny jiolahy na ny mpanao politika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap
16-nov-2026

Hanondrana 18.000 taonina i Madagasikara

Card image cap
16-nov-2026

Tontosa ny fametrahana

Card image cap
16-nov-2026

Tezitra mafy, tsy nety nandoa vola

Card image cap