airtel

Actualités

16-nov-2026

Taom-piotazana

lodsia 2026

Sample post image

Hanondrana 18.000 taonina i Madagasikara

16-nov-2026

Hisokatra ny 19 novambra ny taom-piotazana 2026 araka ny tolo-kevitra navoakan'ny CTHT (Centre Technique Horticole de Tamatave) rehefa nanao fitsirihana ifotony matetika ny fahamasahan'ny lodsia izy ireo. Hitovy izany na ho an'ny Faritra Atsinanana na ho an'ny Faritra Analanjirofo. Roland Ratsiraka, filohan'ny vondron'ny mpandraharaha mpanondrana lodsia na GEL no nampahafantatra ny vaovao notronin'ireo tompon'andraikitra samihafa avy amin'ny sampandraharahan'ny hetra, ny fadintseranana, ny avy amin'ny Kaominina, ny avy amin'ny Fitaleavam-paritra ny fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo taorian'ny fivoriana ny faran'ny herinandro teo. Hisokatra amin'ny 17 novambra ny "Guichet unique" hahafahan'ireo mpisehatra rehetra amin'ity lalam-pihariana ity mikarakara ny taratasy fahazoan-dalana, na hitatitra io, na hananom-bokatra... Tsy mampitovy hevitra ireo samy mpisehatra ny datin'ny taom-piotazana 2026. Milaza ny APTCLT ( Association des Producteurs, Transporteurs, Collecteurs des produits Locaux de Tamatave ) fa tsy nifampierena tamin'izy ireo io daty 19 novambra io. "Tokony fantatry ny GEL tsara fa mbola tsy masaka lodsia amin'io daty io, ka sao handratsy endrika ka hamono ny vokatra malagasy". Hisy fifanantonana amin'ity anio hamantarana ny vidin'ny lodsia any amin'ny tantsaha sy ny handraisan'ny mpanondrana ny vokatra. 18.000 taonina eo ny lodsia malagasy hanafika ny tsena iraisam-pirenena amin'ity taom-piotazana 2026 ity. Ny 15.000 taonina halefa sambo mihazo an'i Eoropa hamonjy tsena krismasy. Misy ny halefa any Dubaï, Mayotte ary koa Rosia. Misy koa ny mandeha mialoha amin'ny alalan'ny fiaramanidina.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap
16-nov-2026

Tontosa ny fametrahana

Card image cap
16-nov-2026

Tezitra mafy, tsy nety nandoa vola

Card image cap