airtel

Actualités

16-nov-2026

TANORA

FFM AO TOAMASINA

Sample post image

Mbola manjaka ny kolikoly

16-nov-2026

any amin’ireo sampandraharaham-panjakana
Mijoro manohana ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael amin'ny ady amin'ny kolikoly ireo Tanora Mpitolona ao amin'ny Faritr’i Toamasina, tarihin’Atoa Vonjilahy Manjohanatsa, mpandrindra ny FFM any amin’ny Faritra Atsinanana na ny Fanilon’ny Fanavaozana an’i Madagasikara. Mbola maro mantsy hoy izy ny fitarainana mikasika ity resaka kolikoly ity eny amin'ireo sehatra isan-tokony indrindra fa ireo sampandraharaham-panjakana any an-toerana ka mampikaikaika ny vahoaka manan-draharaha. Eo anatrehan'izany dia mangataka amin'ny Filohan’ny Fanavaozana ity mpandrindra ny FFM Faritra Atsinanana ity mba hametrahana ihany koa ilay rafitra hiadiana amin'ny kolikoly iarahana amin'ny tanora ao Toamasina hahafahan'izy ireo manamafy kokoa ny ady izay efa ataon'izy ireo ho fanampiana vahoaka. Nisy ihany koa ny tolo-kevitra nomen’Atoa Vonjilahy Manjohanatsa ny amin’ny tsy tokony hampitandremana ireo sampandraharaham-panjakana na tompon’andraikitra tratra manao kolikoly intsony fa avy hatrany dia hampiharana ny lalana hanafaizana azy ireny. Toraka izany koa ny hiarovana ireo tanora sahy mijoro sy manana vina hahafahana tena mampandroso marina.
Pati
Legende : Atoa Vonjilahy Manjohanatsa, mpandrindra ny FFM any amin’ny Faritra atsinanana !
 

Dans la même rubrique

16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Hanondrana 18.000 taonina i Madagasikara

Card image cap
16-nov-2026

Tontosa ny fametrahana

Card image cap
16-nov-2026

Tezitra mafy, tsy nety nandoa vola

Card image cap