Nitohy ny sabotsy teo tamin’ny alalan’ny fihaonambe mifanandrify amin’ny fanamarihana ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 1947 ny hetsika « Famerenan-kasina ny fokonolona », natao tetsy amin’ny Ivon-toerana Arrupe Faravohitra. Niombom-peo ny rehetra fa ilaina ny famerenana ny fokonolona ho fototry ny fanavaozana ny Firenena. Maro ireo herivelona samihafa nahitana ireo zokiolona, mpandalina tantara manodidina ny rafi-piarahamonina, ny tanora, ny tambajotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary,… Nisy ny fifampizarana ny fahalalana ananan’ny tsirairay amin’ny famerenan-kasina ny fokonolona, haparitaka amin’ny faritra 24, amin’ireo kaominina 2000 latsaka, ka izany no tokony ho andry hijoroan’ny Repoblika. « Mitaona ny vahoaka Malagasy mba hiray feo sy hifanohana ao anatin’ny famerenan-kasina ny fokonolona izay tsy afa-miala raha vao miresaka fanorenana ifotony. Miray hina ny rehetra, ary mino izahay fa ny fitondram-panjakana dia hanamora sy famerenan-kasina ny fokonolona », hoy ny Filohan’ny FIZOMA na ny Fikambanan’ny Zokiolona eto Madagasikara. Naneho ny Filohan’ny Tafo Mihaavo Atoa Razafimanandraibe Louis De Gonzague, fa ny teny, ny tany, ny tantara, dia mampiombona ny bMalagasy rehetra. Amin’izao ao anatin’ny fotoanan’ny fanovana izao, manana fotokevitra ny Tafo Mihaavo hanome vahana tanteraka fa an’ny Malagasy ity Madagasikara ity. Mila manova isika hananan’ny Malagasy manana fahefana tanteraka miainga avy any ifotony hahafahan’i Madagasikara mamiratra manerana izao tontolo ». Ny Tafo Mihaavo izay misy mpikambana miisa 4 tapitrisa eo manerana ny Nosy, raha ny fanamarihana. Ho an’ny VOLOBE tarihin’ny Jeneraly Ramakavelo Désiré tamin’ny alalan’ny mpikambana Atoa Benarivo André kosa, dia naneho fa manome lanja ny fokonolona, ka amin’izy ireo dia fanorenana ifotony no ilain’i Madagsikara fa tsy fanavaozana, ary iombonan’izy ireo amin’ny fikambanana samihafa miara-dalana aminy. Ho an’ny KAFIM (Komity Fanorenana Ifotony Madagasikara), naneho ny mpikambana Atoa Solofoniaina, fa tsy ho tanteraka ny famerenan-kasana ny fokonolona raha tsy miainga avy any ifotony. Milaza noho izany izy ireo fa tsy maintsy miainga any amin’ny vahoaka ny fanarenana an’i Madagasikara, ka ny fokonolona no tsy maintsy jerena voalohany ny hanampiana, hanohanana,… azy ireo mba hitondra fampandrosoana. 80% no voalaza fa tantsaha amin’izao kanefa manao ahoana ny eny ifotony ? Naneho Atoa Herizo A. izay nandalina ny Malagasy tamin’ny lafiny « Anthropologie », nanao fikarohana ny rafi-tsaina sy rafi-panahin’ny Malagasy, fa ny rafi-tsaina tokony havoakan’ny Malagasy dia ny maha izy azy satria izay no maha Malagasy. Tokony ho lasa maodely izay rafi-tsaina sy rafi-panahy izay, ary izay no isan’ny fototra lehibe afaka miainga sy arahina ao anatin’ny fokonolona. Ny fokonolona dia sehatra iray ary rehefa miha lehibe dia izay no manome ny Firenena. Isika no Firenena voalohany nahatahiry an’io, izay tokony ho fanohitra hivoaran’ny Firenena raha ny nambarany.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»