airtel

Actualités

11-févr-2025

Fampandrosoana ifotony

Feno 50 taona ny nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava

Sample post image

11 febroary 1975 – 11 febroary 2025, 50 taona katroka anio no nahafatesan’ny filoham-panjakàna teo aloha,

11-févr-2025

Kolonely Richard Ratsimandrava, rehefa nitondra 6 andro monja ity firenena ity. Maro ireo raki-tsoratra mitantara sy manombana ny mety ho tena zava-misy marina mikasika ny tena mety ho fomba nahafasan’izany filoham-panjakàna malagasy izany tamin’ny fotoan’androny. Isan’ny nanaitra indrindra tamin’ireny ny nilazàn’ilay mpahaitantara frantsay, Pr Françoise Raison Jourde, fa efa voatifitra na maty tao amin’ny biraon’ny Jeneraly Gilles Andriamahazo, izay isan’ny lehiben’ny etamazaoron’ny tafika tamin’ny fotoan’androny ny Kolonely vao niharahan’ny tifitra nolazaina fa tena nahafaty azy teo Ambohijatovo tamin’izany fotoana izany. Ity jeneraly voalaza teo ity rahateo moa avy eo no nandimby azy nandray ny fitantanana ny firenena tamin’ny alalan’ny fitondràna miaramila ihany nandritry ny 4 volana sy 3 andro, izany hoe, ny 12 febroary hatramin’ny 15 jona 1975, talohan’ny nandaniana ho filohan’ny repoblika ny Capitaine de frégate Didier Ratsiraka. 50 taona aty aoriana, voalaza fa nivalona ny raharaha mikasika ny fomba nahafatesan’ny Kolonely. Nisy ny filazàna tao anatin’ny fitondràna Ravalomanana fa efa fantatra ihany ny tena namono marina izany lehilahy izany saingy aleo hijanona ho tsiambaratelom-panjakana amin’izay. Neverina fa mpitondra isan’ny nanelingelina tandapa maro izy hatramin’ny fotoana naha minisitry ny atitany azy tao anatin’ny fitondràn’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa noho ny fampandraisany anjara ny olompirenena tanatin’ireo rafitra ifotony izay napetrany toy ny Vatoeka na Vaomieran’ny toekarena sy ny fanomezan-danja ny antsoina hoe «Fokonolona». Teo ihany koa ny fametrahana ny hoe «Raharaha ikambanana» ny raharaha rehetra mahakasika mivantana izany fiainam-pokonolona izany. Isan’ny fanontaniana manitikitika ankehitriny ny hoe mbola manelingelina tandapa maro amin’izao vanim-potoana izao ihany koa ve izany, 50 taona aty aoriana, io resaka fanomezan-danja ny atao hoe fampandrosoana ifotony io na fampandraisana anjara ny eny ifotony amin’ny fampandrosoana an’ity Madagasikara ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap