airtel

Actualités

24-déc-2024

Actualités

FAMPANOFANA VORONA Vao mainka nandeha be tamin’ity taona ity…

Sample post image

Vao mainka nandeha be ny fampanofana vorona tamin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa,

24-déc-2024

raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpiompy iray. Ho azy manokana mantsy dia efa mahatratra 40 isa ireo nisy namandrika nanomboka omaly Alatsinainy 23 Desambra, hofaina mba haneno sy hitabataba ao an-tokontany fotsiny amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao. 3.000 Ar isan’andro ny hofan’izany ho an’ny ganagana sy ny akoho raha miakatra 5.000 Ar isan’andro kosa ny iray ho an’ny gisa sy ny vorontsiloza. Aleon’ny olona manofa, hoy ity mpanofa ity mba hamonoana lolo ny mpiray tanana toy izay hividy tena hohanina tokoa. Efa mahatratra 150.000 Ar mantsy amin’izao ny vorontsiloza lahy iray eny an-tsena raha 50.000 Ar kosa ny gisa. 30.000 Ar ny farany mora indrindra ho an’ny ganagana raha toraka izay ihany koa ny akoho. Nambaran’ity mpiompy moa fa taratry ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa izany rehetra izany. Noho ny hena-maso amin’ny fiaraha-monina anefa dia hatao ihany izay mety mba hiatrehana ny fety na dia hankafy ny feon’ny akoho amam-borona sy ny tabatabany fotsiny aza. Tsiahivina moa fa betsaka amin’ireo vorona hampanofana ireo no averina raha vantany vao vita ny fetin’ny Krismasy ary alaina indray amin’ny Alatsinainy 30 Desambra ho avy izao, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Pati
Legende : Hofaina mba hitabataba eny an-tokontany fotsiny itony akoho amam-borona itony fa tsy hohanina akory !

 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo « poste fixe mixte »

Card image cap
05-oct-2026

Ela loatra ny "permis biometrika,

Card image cap
02-oct-2026

Nandika lalàna matoa vosambotra ! »

Card image cap
02-oct-2026

Napetraka ireo boky torolalana vaovao,

Card image cap
02-oct-2026

Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka

Card image cap