dia takiana ho voasoratra anarana amin’ny fomba ofisialy avokoa ny « drone » ampiasaina eto amin’ny tanin’i Madagasikara. Tsy tafiditra amin’izany anefa ireo « drône » kely izay tsy mihoatra ny 100 metatra ny halaviran’ny sidiny ary tsy misy fakan-tsary. Raha tsy manaraka io fepetra vaovao io ny mpampiasa, dia ho raisina ho toy ny fanitsakitsahana lalàna izany, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny ACM. Mbola miandry ny fanokafana ny sehatra an-tserasera hanaovana ny fisoratana anarana, saingy efa misy fombafomba vonjimaika azo arahina amin’izao fotoana izao.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"