ny tady eo amin’ny Fanjakana sy ireo orinasa amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra na ireo « operateurs téléphoniques » na ny GTM. Tsy eken'ny fitondrana ny fampidinana kely tsy misy fiantraikany amin'ny mpanjifa sahirana izay lasa mividy lafo noho ny mpanjifa manam-bola. Mitaky fampidinana tena izy faran'izay haingana sy tsy misy fepetra Fanjakana, ka manambana ny hampiasa ny fahefana eo an-tanany, hanokatra ny tsenan’ny fifaninana,... Tsy hanome tombontsoa ara-ketra ho takalon'ny fampidinana vidin'ny tolotra koa ny Fanjakana. Tsy ampy ny fihenan’ny 50% amin’ireo tolotra be mpampiasa. Tolotra kely telo, voafetra sy vonjimaika.”, hoy ny Fanjakana nanakiana ny fangatahan’ny mpandraharaha hanafoanana hetra, mba ho tambin’ny fampidinana ny saran’ny internet. Araka ny fanambarana iombonana navoakan’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary Fampandrosoana Nomerika, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Tetibola, ary ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia manolotra ireto tolotra manaraka ireto ny mpandraharaha: 3 000 Ar ho an’ny 1,1 Go ; 5 000 Ar ho an’ny 2,5 Go ; 10 000 Ar ho an’ny 5,5 Go. Raha ampitahaina amin’ny tolotra ankehitriny, dia manome fihenana 50% izany, satria amin’izao fotoana izao: 3 000 Ar ho an’ny 550 Mo ; 5 000 Ar ho an’ny 1,02 Go ; 10 000 Ar ho an’ny 2,25 Go Saingy, saingy tsy manome antoka fihenana maharitra ireo tolotra ireo, ary mampanao « mobile money » amin’ny sasany. Tsy mikasika ihany koa ireo « forfait » lehibe sy fampiasana fototra toy ny fampianarana, fikarohana, fampahalalana, ary servisy ara-panjakana sy ara-bola. Ho an’ny fanjakana, ny fihenan’ny vidiny dia tsy maintsy tena izy, tsotra, hita maso, ary hampiharina avy hatrany amin’ireo tolotra ampiasain’ny Malagasy isan’andro. Naneho hatezerana ireo minisiteran’ny fanjakana satria mandoa lafo lavitra ny fianakaviana sahirana raha oharina amin’ny manan-karena. Araka ny fanambarana: - Raha 500 Ar isan’andro no azon’ny Malagasy atokana amin’ny internet, dia 1 Go miteti-bidy 5 000 Ar. Raha forfait any amin’ny 200 000 Ar no vidiana, dia 1 Go ho an’ny 2 000 Ar Io toe-javatra io dia tsy rariny ary tsy azo ekena ara-tsosialy, satria manimba ny tanora, ny fianakaviana sahirana, ny mponina ambanivohitra, ireo tokony ho tohanan’ny nomerika hivoahana amin’ny fahasahiranana.
TSY HANAFOANA IREO HETRA NY FANJAKANA
Notsiahivin’ny fanjakana ihany koa ny fandavany ny fangatahana hanafoanana ny hetra fanampiny, izay heveriny ho hetra manan-danja amin’ny rafitra. Satria tafiditra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny fanesorana hetra, ka tsy ekena ny fanerena hanova tampoka ny fitsipika ara-ketra. Raha miresaka 400 miliara Ar ho fidiram-bola amin’ny hetra amin’ny 2026 ny mpandraharaha, dia tombana manokana izany, ka tsy azo iorenan’ny politikan’ny tetibola nasionaly. Ao amin’ny fanambarana navoakan’ny GTM (Fikambanan’ny mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra) tamin’ny alatsinainy, dia nandà izy ireo fa nangataka hanafoanana hetra 215 miliara Ar. Nilaza kosa fa mangataka ny fanesorana hetra fanampiny sasany, izay vao nampiharina na tsy mahomby amin’ny fampiharana. Anisan’izany ny: Droit d’accises (hetra amin’ny entana lafo vidy): 8% amin’ny telecom, 5% amin’ny mobile money, hetra amin’ny fanafarana smartphone latsaky ny 100 dolara. Andrasana ny mety hivoahan’ny marimaritra iraisana. Isan’ny sehatra mbola mampitaraina ny mpanjifa ny tolotra fifandraisan-davitra hatreto, ary tsy manana mari-pandrefesana sy tena fanaraha-maso mazava, toy ny fihazakazahan’ny fahalanian’ny tolotra internet, antso,… ka raha misy mpanjifa 10 tapitrisa ohatra eto Madagasikara ka very 100Ar isan’olona isan’andro, dia mahatratra 1 miliara Ar isan’andro izany. Mifamelona ihany koa anefa ny Fanjakana sy ny tsy miankina izay mampiasa Malagasy maro ihany koa, ka mila jerena ao anatin’ny fahintsiana sy fifampiresahana ny olana.
Toky R