airtel

Actualités

16-juin-2026

Fampiroboroboana ny

fambolena sy fiompiana

Sample post image

Hividy sy hanodina ny vokatry ny tantsaha ny RALI

16-juin-2026

Ny 80-90% amin’ny olona eto Madagasikara dia misehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Marefo dia marefo anefa ny tetibola amin’io sehatra io, ary iny mbola nivoaka ny vaovao ny herinandro teo iny fa mbola nahena ny tetibola, ka raha nanontaniana ny fahitany an’io ny RALI (Rassemblement des Agriculteurs Libres et Indépendants) dia naneho tamin’ny alalan’ny Mpandrindra nasionaliny Rtoa Rakonirainy Ando, fa mijoro hanampy ny tantsaha : fitadiavana lalam-barotra, fananganana orinasa kely madinidinika hahafahana ny vokatra,… Efa mipetraka amin’ny faritany 6 sy faritra 24 ny RALI, kaperativa 80 manerana ny Nosy eo no efa manoratra anarana, manome 82,7% amin’ny kaoperativa misy, raha ny fanazavan’ny Sekretera Jeneralin’ny RALI Atoa Razanajatovo Larry Jo Christian. Raha olon-tsotra no te hiditra dia miditra amin’ny ONG Tolotanana izay mpikambana anatin’ny RALI. Miady ho an’ny tantsaha sy manao tan-tsoroka ny RALI, ka raha ny lafiny lalàna ohatra, dia irosoana ny fanolorana tolo-dalàna mioampana amin’ny tombotsoan’ny tantsaka, ka kaoperativa maro no efa vonona amin’izany. Misy mantsy ohatra ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mametraka fepetra amin’ny tsy maintsy hividianana masomboly aminy izay mety lasa tsindry sy fiankinan-doha. Saika ahitana olana manerana ny Nosy, ka tany Diana ohatra raha ny filazany : ny legioma, voatabia vidiana 1000Ar, ny manana 500 na 600Ar kanefa 6000Ar aty Antananarivo, ka hanao tetikasa fanodinana ny vokatra amin’ny alalan’ny tetikasa antsoina hoe «O’thentik» ny RALI. Hisokatra manerana ny nosy ny botika «O’thentik» maneho ny vokatra Malagasy.
NITSANGANA NY « JEUNE RALI »
Zava-dehibe nirosoan’ny RALI amin’izao ihany koa ny nananganana ny « Jeune RALI» satria ny 65-70%n’ny mponina eto Madagasikara dia tanora, ka homanina ny taranaka ho avy mba tena hiditra amin’ny sehatra matihanina amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana. Madagasikara rahateo mbola malalaka, manana tanora maro, ary tsy misy afatsy izay no fomba entina manarina ny toekarena, hoy i Fitiavanjanahary Stephan Kennedy ny Filohan’ity Jeune Rali ity. Eo ihany koa ny fitarihana ny tanora amin’ny fandraharahana eny ifotony,… Tanjona ny hanana tanora efa voavolavola hiatrika fampandrosoana tena marina, ka tsy eto Madagasikara ihany fa hivelatra hatrany amin’ireo tanora diaspora izay betsaka no manam-pahaizana toy ny lafiny « agronomie » sy ny maro hafa, ka fanamby lehibe ny hamondrona azy ireny hitondra ny fahaiza-manaony ho an’ny Firenena, hoy ny Filohan’ny Jeune RALI.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-juin-2026

Nanapotsitra ireo maharary ny vahoaka

Card image cap
16-juin-2026

raha tena mahaleotena isika!»

Card image cap
16-juin-2026

Nitrangana fitokonana sy fihetsiketsehana

Card image cap
16-juin-2026

zareo japoney! Firenena azo lazaina hoe

Card image cap
16-juin-2026

solika 70 000L isan’andro…

Card image cap
16-juin-2026

fizahantany iombonana

Card image cap