Raha ny ety an-drenivohitra fotsiny, saika isan’andro no ahitàna mpivady mitaingina moto na kodiaran-droa dia ao an-damosin-dramatoa ao ny zanany amam-bolana. Eo amin’izay mpampiasa kodiaran-droa izay ihany dia isan’ny hita indraindray koa ny hoe mipetraka ambonina entana misavovona ilay olona ao aoriana. Nampivarahontsana mpanara-baovao maro omaly ny nahita lehilahy iray nitondra bisikileta teny Tanjombato dia nataony an-tsiangory ilay zaza nentiny. Hita ho mbola lavitra ezaka, araka izany, ny fampahatongavan-tsaina ho an’ny olompirenena malagasy, raha ny hita hatramin’izao aloha, na eo aza ny fantsona sy fitaovan-tserasera maro samihafa. Heverina fa mbola tena ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana maha olompirenena.
J. Mirija
85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030