airtel

Actualités

17-nov-2026

Fanalavana

ny fitazonana am-ponja

Sample post image

Notsipahan’ny Fitsarana

17-nov-2026

Maorisianina ny fanoheran-dRavatomanga
Nohenoina teo anivon’ny Fitsarana Tampony ao Maorisy ny alatsinainy 16 novambra 2026 ny fangatahana napetrak’ilay mpandraharaha malagasy Mamy Ravatomanga izay manohitra ny fitazonana azy am-ponja naharitra ela. Teo anatrehan’ny Lehiben’ny Mpitsara Bibi Rehana Mungly-Gulbul no nandinihana ny raharaha, izay mbola manohy misarika ny sain’ny maro noho ny lanjany ara-pitsarana sy ara-toekarena. Nandritra ny fotoam-pitsarana dia naneho ny fanoherany ny fangatahan’i Mamy Ravatomanga ny Biraon’ny Fampanoavana (DPP), notarihin’i Me Rasmi Camiah, Chief State Attorney, ary ny Financial Crimes Commission (FCC), izay nosoloan’i Me Bibi Mahejabeen Chattoo. Samy nangataka fanemorana ny raharaha ireo andaniny sy ankilany mba hahafahan’izy ireo manomana sy mametraka ny antontan-taratasy sy fanambarana ara-dalàna ilaina amin’ny fandinihana ny raharaha. Eo ankilany kosa, Me Ayesha Jeewa, Senior Attorney, no misolo tena an’i Mamy Ravatomanga. Vokatr’izany fangatahana fanemorana izany dia hahemotra hatramin’ny 23 novambra 2026 ny tohiny, izay hiverenan’ny raharaha eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony. Tsiahivina fa efa maherin’ny herintaona no nitazonana am-ponja an’i Mamy Ravatomanga. Manohitra ny didy navoakan’ny Bail and Remand Court tamin’ny 12 oktobra 2025 izy, taorian’ny nandavan’io fitsarana io ny fangatahany hahazo fahafahana vonjimaika miaraka amin’ny antoka. Mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony ao Maorisy araka izany ny tohin’ity raharaha ity, izay mety hanana akony lehibe eo amin’ny fizotry ny fampanoavana sy ny fiarovan-tenan’ilay mpandraharaha malagasy. Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny fihainoana natao teo anatrehan’ny Fitsarana ao Port-Louis ny alakamisy 12 novambra teo, dia nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny hanafoanana ireo fiampangana vonjimaika miampanga an’i Mamy Ravatomanga ireo mpisolovava azy. Fiampangana telo no lasibatr’io fangatahana io : roa momba ny famotsiam-bola; fiampangana iray momba ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana heloka bevava. Voalaza ihany koa ny faran’ny herinandro teo fa miomana hanao fitoriana i Mamy Ravatomanga, saingy tsy mbola fantatra mazava ny voatoatiny. Hatreto, mbola tsy afa-bela amin’ny Fitsarana Maorisianina ny tenany, ary misavovona ihany koa ny dosie eto Madagasikara. Asa hanao ahoana no hiafaran’ity tantaran’i Mamy Ravatomanga ity izay tena tsy nampino hoe : ilay mpandraharaha goavana tsy azo natao na inona na inona teto Madagasikara no zary sahirana ara-pitsarana tahaka izao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-nov-2026

Rotaka tao Befandriana Avaratra,

Card image cap
17-nov-2026

Mahafaly ny fampandraisana

Card image cap
16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap