airtel

Actualités

17-nov-2026

Filohan’ny

SYNAD

Sample post image

Mahafaly ny fampandraisana

17-nov-2026

anjara ny diaspora hifidy »
Miroso hatrany ny Fitondrana Fanavaozana hahatongavana any amin’ny Repoblika fahadimy. Taorian’ny fanolorana ny fehin-kevitra nandritra ny fakan-kevitra hanatanterahana ny fifidianana natao teny amin’ny CCI Ivato dia fantatra fa ny fifidianana lalam-panorenana no hatao mialoha ary hotontosaina amin’ny faran’ny taona 2027 ho avy io raha tsy misy ny sampona. Ankoatra izay dia teboka lehibe maromaro no tena nisongadina sy nivoitra tamin’izany araka ny fanazavan’ny Filohan'ny SYNAD (Sendikan'ny Administrateur Civil) Atoa Solofotahina Rakotondramanana ka tokony ho fantatry ny rehetra. Mikasika ny fikatonan’ny lisitry ny mpifidy manerana ny Nosy dia nambarany fa tokony hifarana ny datin’ny 25 Aprily taona 2027 ho avy izao izany. Nasiam-panovana anefa ny didim-pitsarana mifandraika amin’izany ka fantatra fa 60 andro mialohan’ny fifidianana vao hikatona tanteraka izany hahafahan’ireo feno taona rehetra mbola tsy tafiditra mampiditra ny anarany. Tsy azo hatao ihany koa ny mizara zavatra mandritra ny fampielezan-kevitra izay haharitra 30 andro ary tsy voafetra ny vola hampiasain’ireo komity mpanohana ny safidy hoy izy. Mahafaly koa hoy hatrany Atoa Solofotahina Rakotondramanana ny fanapahan-kevitra noraisina fa ho afaka mifidy ireo malagasy miasa sy monina any ivelany ka eny anivon’ny masoivoho na ambasady izy ireo no mifidy. Notsiahiviny ihany koa moa fa tsy azo hatao ny mampiasa fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Notsiahivin’ity filohan’ny Synad ity fa mahafa-po ny ezaka hataon’ny Fanavaozana hatreto ary faniriany ny hitohizan’izany.
Pati
Legende : Atoa Solofotahina Rakotondramanana, filohan’ny Synad !

 

Dans la même rubrique

17-nov-2026

Notsipahan’ny Fitsarana

Card image cap
17-nov-2026

Rotaka tao Befandriana Avaratra,

Card image cap
16-nov-2026

22 voasambotra, mihatra ny "couvre-feu"...

Card image cap
16-nov-2026

hamadihana ny raharaha...

Card image cap
16-nov-2026

fanakorontanana avo lenta...

Card image cap
16-nov-2026

Mbola manjaka ny kolikoly

Card image cap